Ny fisehoan’ny fahatsaran’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Novambra 2021

LIOKA 1.46-55

LIOKA 1.46-55
46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo, 47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy; 48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho. 49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany. 50 Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby. 51 Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy. 52 Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa. 53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina. 54 Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony 55 (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.

Ny fisehoan’ny fahatsaran’Andriamanitra

1-Dia amin’ny alalan’ny fanandratany olona tsotra tao amin’ny tantaram-pamonjena (and48-49)

I Maria tovovavy tsotra , tsy mba anisan’ny taranak’andriana sady tsy voambara mazava ho mpanefoefo , nefa nofidin’Andriamanitra ho renin-janany , hitondra ny famonjena ho an’ny olon-drehetra . Endrey , izany hatsarany manome vidiny ny fisian’ny sokajin’olona rehetra eto an-tany .Tsy mba nisy izay notsinotsiniaviny . Raha efa nanana izay azy ireo heverina ho ambony , ireo taranaka andriana dia mba nasandrany ihany koa ny olona izay tsy dia hitan’ny fiaraha-monina loatra . Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10.34  » Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra » .

2-Amin’ny alalan’ny teny nomeny fa hamonjy ny olona rehetra tokoa Izy (and54-56)

Efa nifanao fanekena tamin’i Abrahama fa hamonjy ny olona rehetra amin’ny alalan’ny taranany. Fantatr’i Maria tsara fa ho tanteraka amin’ny alalan’ilay zaza aterany izany . Mitana ny teny nomeny ny Tompo ka manatanteraka izay nolazainy , ka dia indro fa tonga tokoa ilay famonjena . Ry havana , afaka manao fampitahana isika , saingy aoka ho tsaroantsika tsara fa tsy misy tsara noho ny Andriamanintsika , raha tsy hijery afa-tsy ireo roa voalaza ireo fotsiny isika . Tsy diso adiresy isika fa aza matahotra , afaka ny hilaminan-tsaina tsara.

Fanontaniana

Mbola mety iadian-kevitra ve ny fahatsaran’Andriamanintsika sa ekena avy hatrany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firen...

Zoma, 26 Novambra 2021

Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firenena voafidiny Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firenena voafidiny 1-Dia mahakasika ny…

Raha tena ampiharina eo amin’ny fiai...

Asabotsy, 20 Novambra 2021

Ny Tenin’Andriamanitra no milaza fa : 1- Mahantra ny olona matoky olona (and 5 –…

Ny mpanompon’Andriamanitra dia manao...

Alatsinainy, 25 Oktobra 2021

2 Korintianina 8. 16 – 24 « Fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny…