Ny fifampitondrana tsara

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Desambra 2025

Sal 133  / HF 48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 5

1 Timoty 5,1 - 8
1 [Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, 2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra. 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. 4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina 6 Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony. 7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny. 8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

Ny fifampitondrana tsara

1- Fifananarana am-pitiavana

Amin’ny maha zanaka am-panahin’i Paoly an’i Timoty, sady mpiara-miasa taminy, amin’ny maha mbola tanora an’i Timoty dia tsy nisalasala izy fa manoro hevitra azy ny amin’izay tokony hatao amin’ny fitondrana ny olona, mba hischoan’ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ny asa fanompoany. Asehony fa tokony ho am-pitiavana no ananarana ny sokajin’olona rehetra raha misy ny fahadisoana sy ny fananarana izay tsy maintsy hatao aminy. Izany no atao dia ny mba hahatsapany fa ilay Andriamanitra mpamonjy dia fitiavana. Ny fitiavana mantsy no mamatotra ny fifandraisan’ny mpianakavy, izay ataony ho ohatra anehoana ny fifampitondran’ny mpino eto.

2- Fifamelomana tsara

Ambaran’i Paoly fa tokony hifamelona ny mpianakavy, fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Hoy ny voalazany hoe: « fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza ». Izany hoe andraikitra apetrak’Andriamanitra amin’ny mpino ny famelomana ny ankohonany na ny olona izay azony hanaovana izany toy ny mpitondrantena. Ny mpitondratena dia andraikitry ny zanany na ny zafiny aloha satria famaliana soa ny raiamandreny nahitana masoandro sy nikarakara izany. Aoka ary isika samy hikarakara sy hamelona tsar any ankohonana fa izany no fifampitondrana araka an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Mifampitondra tsara am-pitiavana ve ny ao amin’ny ankohonanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe