Ny fiantorahana amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Aprily 2022

SALAMO 56.1-13

SALAMO 56.1-13
1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. 2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. 3 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao. 4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko? 5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny] 6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. 7 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy] 8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny? 9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. 10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. 11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko? 12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. 13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina]

Ny fiantorahana amin’Andriamanitra

1-Mitaky fatokiana

Niantoraka tamin’Andriamanitra i Davida ka nanao antso avo ny hamindrana fo aminy , satria mafy ny fanafihana nataon’ny fahavalo . Ao anatin’izany anefa no nanehoany ny fatokiany an’Andriamanitra . Nitaraina taminy izy satria fantany fa tsy miafina amin’Andriamanitra ny zava-misy : » Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra » . Na dia nandalo ady sarotra sy olana aza Izy dia ninoany fa tsy nandao azy Andriamanitra.Ankoatra izany dia velom-pinoana izy ka naverina indroa ilay teny eo amin’ny and 4 sy and 11, fa Andriamanitra no itokiako fa »Andriamanitra no itokiako , ka tsy hatahotra aho , inona no hataon’ny olona amiko ? » Entina ilazana izany fa matoky zato isanjato ny herin’Andriamanitra Izy ary mihazona ny fanekem-pihavnana izay nataony.Maneho ny tsy fitovian’Andriamanitra sy olona koa izany , satria dia tsinotsinona ny olona ary mety mivadibadika . Koa matokia an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra izay miseho eo amin’ny andavanandrom-piainanao .

2-Mahatonga fandresena

Rehefa nivavaka izy dia noheveriny ho toy ny efa nahazo valiny sahady . Efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana ianao .Izany no teny nanehoany ny finoany an’Andriamanitra ary dia nanomana fanati-pisaorana ho Azy izy . Ny fahatsapan’i Davida ny fahatsaran’Andriamanitra sy hy fitiavany no nahatonga azy hidera , na dia efa nifofo ny aina aza ny fahavalony dia tsy nanana tahotra , satria rehefa Andriamanitra no momba dia mandresy mandrakariva .Tsy azo adinoina ihany koa fa Andriamanitra dia mahery lavitra noho ny fahavalon’i Davida , satria hoy izy :« Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena Andriamanitra ô » . Jesoa Kristy dia efa nilaza fa « ety amin’izao tontolo iza no hahitanareo fahoriana… Noho izany , rehefa tojo olana dia hampahereziny amin’ilay tohiny hoe : « nefa matokia, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao« , eny fa na ny fasana aza dia tsy nahatazona Azy fa naharesy ny fahafatesana Izy .

Fanontaniana :

Iza no hatoninao voalohany rehefa tojo olana ianao : Andriamanitra ve sa olombelona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mba manam-potoana voatokana hankalaz...

Alarobia, 13 Aprily 2022

Ny fiakaran’i Jesoa tao Jerosalema no tantaraina eto. Enina andro talohan’ny Paska no nankany Betania…

Manao ahoana ny fanomananao ny hiver...

Talata, 12 Aprily 2022

Manambara ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny toetran’ny kristiana manoloana ny fahafatesan’ny nofo ny mofonainantsika…

Jesoa Kristy maneho ny maha-Andriama...

Alatsinainy, 11 Aprily 2022

Jesoa Kristy maneho ny maha-Andriamanitra Azy 1 – Mitaky finoana (and. 36) Nidina ny sambokely…