Ny fiainana kristiana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Martsa 2026

Sal 108. 1-4 / Hira 39.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 530

Lioka 6,32 - 39
32 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. 33 Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany. 34 Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray. 35 Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona*, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[*Na: aza manantena valiny] 36 Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. 37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo; 38 omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa. 39 Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?

Ny fiainana Kristiana

1-Fitiavana ny olona rehetra

Ny Filazantsara araka an’i Lioka no mampahatsiahy antsika mpamaky eto fa ny tena fiainanana kristiana dia tsy maintsy manaraka ny fampianarana izay nataon’i Jesoa Kristy. Izy dia tia ny olona rehetra, tsy mba manavakavaka na mpanota, na mahantra, na manan-karena… Izy no modely amin’ny fitiavana, ary naverimberiny teo amin’izay mpanara-dia Azy izany.

2-Mampisambotra ny mila vonjy

Ny fiainana dia tsy vitan’olon-drery, fa ny fifanampiana amin’izay atao no tena zava-dehibe. Tsy anavahana na iza na iza, indrindra ho an’ireo mila vonjy. Atao am-pitiavana avokoa anefa izany rehetra izany, ary ilana fahavononana sy faharetana. Hoy ny Soratra Masina: « … ka aza kivy na amin’inona na amin ‘inona dia ho lehibe ny valim-pitianareo » (and 35). Ireny mila vonjy ireny no anirahin’ny Tompo antsika; Jesoa dia havan’ny olona rehetra, ary tsy nanavaka na iza na iza. Ampio àry izay mila vonjy eo aminao, fa adidy sy asa miandry antsika kristiana izany.

3-Ho mpamindra fo

‘I Jesoa Kristy no modely satria namindrany fo avokoa ny olona rehetra. Lova avy amin’ny Ray ny famindrampo ary ampianarin’i Jesoa Kristy ho an’izay mpanara-dia Azy koa, ka hoy Izy hoe: « Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo Mpamindra fo (and 36). Mitaona antsika ry havana ny Tompo, fotoana mety izao. Aoka ho mpamindra fo isika, fa mariky ny fitiavana ny hafa izany; sady adidy takian’i Jesoa amin’izay Impanara-dia Azy

Fanontaniana:

llaina eo amin’ny fiainana ve ny mamindra fo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ilay Mpanjakan’i Ziona

Alahady, 29 Martsa 2026

Ilay Mpanjakan’i Ziona 1-Feno fanetren-tena Ny « … mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora » (and 9a). Mesia…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Asabotsy, 28 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1-Mahaiza misaotra an’Andriamanitra Tsy mora ny asa izay hosahanin’i…

Aza mitsara

Zoma, 27 Martsa 2026

Aza mitsara 1-Aza mijery ny sombin-kazo  eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Aseho amin’ny alalan’ny sombin-kazo ny…