Ny Fanomezan’Andriamanitra an’i Jesoa kristy
Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Desambra 2025
Sal 146.1-5 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 79
Jaona 3,16 - 21
16 Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] 18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] 19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.Alahady, faha 07 desambra 2025
Jaona 3. 16-21
Sal 146.1-5 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 79
Ny Fanomezan’Andriamanitra an’i Jesoa kristy
1-Famonjena ho an’izay mino Azy
I Jesoa Kristy no llay Teny tonga nofo nomen’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino Azy. Izany dia noho ny fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao. Famonjena sy fitiavana tokoa fa tsy fanamelohana ho an’izay mino Azy. Tombotsoa lehibe ho an’izay rehetra mandray sy mino an’i Jesoa Kristy tokoa ny fiaviany, satria mitondra famelan-keloka amin’ny tsy fahamendrehana rehetra ny naneken’i Jesoa hidina tety an-tany, mba hatao sorona eo amin’ny hazo fijaliana. Satria tsy misy famonjena raha tsy misy rà latsaka. Izany famonjena izany dia ny fahafahana mandova ny fiainana mandrakizay rahatrizay miala ety an-tany. Tsy misy tiany ho very na dia iray aza ny olombelona rehetra, amin’ny maha zanany sy asan’ny tanany azy.
2-Hampiharihary ny asan’ny olombelona
Na dia ny hamonjy ny olombelona izay mino aza no nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany, dia misy koa ny fahefany izay tsy afa-misaraka amin’izany. Dia ny fitsarana izany. Tsy i Jesoa akory no mitondra fanamelohana, fa ny tsy finoan’ireo mpanota no mahameloka azy. Ny fahatongavan’i Jesoa no mitondra ny mazava, izay mampiharihary ny asan’ny mpino sy ny tsy mino. Ny finiavana hilomano ao anaty fitondran-tena ratsy dia mahatonga ny olona tsy hanantona sy hino an’i Jesoa Kristy; satria miharihary eo anatrehany ny fahotany. Izany finiavana hanohy ny asany ao amin’ny maizina izany no fanamelohan-tena. Ka dia miavaka sy miharihary ny asan’ny maizina sy ny mazava, ny mino sy ny tsy mino.
Fanontaniana:
Handray ny fitiavan’Andriamanitra ve ianao sa handa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe