Ny fanasitranan’i Jesoa
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Janoary 2026
Sal 103:1-5 / Hira 170:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 28:1
Lioka 5,12 - 16
12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. 13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay. 14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. 15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny. 16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.Ny fanasitranan’i Jesoa
1- Ho an’izay manantona Azy
Tsy nisalasala tokoa ity lehilahy boka ity, nanatona an’i Jesoa ary niankohoka teo anatrehany sy nangataka fanadiovana. Neken’i Jesoa izany fangatahany izany satria tsapan’i Jesoa ny halehiben’ny faniriany izay tsy voasakan’ny lalan’ny fiaraha-monina. I Jesoa koa dia tsy nanakana azy. Nanendry azy avy hatrany i Jesoa ka nanadio azy. Ny fanasitranana avy amin’i Jesoa dia omeny ho an’izay vonona hanantona Azy sy hanetry tena eo anatrehany ka mino ny fahefany mahasitrana ny aretina rehetra. Raha ny Tompo tokoa no miasa dia tsy misy mahasakana, ary tsisy zava-mahagaga izay tsy hainy. Manantona àry; manetre tena eo anatreahany raha te ho sitrana isika.
2-Mampitombo ny lazany
Noraran’i Jesoa izy mba tsy hilazalaza amin’ny olona satria i Jesoa dia tsy mitady laza sy voninahitra, ary mety hahatezitra ny mpitondra fanjakana rahateo izany ka hiteraka sakana ho amin’ny fanatanterahany ny asan’Andriamanitra. Arakaraka ny nisorohany izany anefa no vao manika nampalaza Azy satria tsy takona nafenina toy ny fahabokana ihany koa ny fahasitranan’ny boka iray izay sitrana, zava-mahagaga ny olona izany. Izany no nahatonga ny olona hirohotra maro hihaino Azy sy hitady fanasitranana Aminy amin’ny aretina maro mangeja azy ireo. Ny asan’Andriamanitra no mampitombo laza Azy.
Fanontaniana:
Ianao ve hitady laza sa hanetry tena toa an’i Jesoa? Tandremo sao halaza ratsy.
Sampana Sekoly Alahady Foibe