Ny Fanasan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Oktobra 2021

MARKA 14.22-25

MARKA 14.22-25
22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. 23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany. 24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena*, izay alatsaka hamonjy ny maro.[*Na: fanekena vaovao] 25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny Fanasan’ny Tompo

1-Famantarana

Hitantsika eto fa teo am-pamaranana ny sakafon’ny Paska i Jesoa (izany hoe : efa avy nihinana izy ireo ka voky) no izao manorina ny Fanasan’ny Tompo izao . Maneho izany fa ity fanasana ity dia tena famantarana , tsy hanina (mofo) natao hahavoky ny nofo loatra na divay natao hahafaka hetaheta ara-batana , fa famantarana ny fijaliana hiaretan’i Jesoa ka ny famakiana ny mofo dia izay hihatra amin’ny tenany , ary ny divay dia handatsahany ny rany ho famonjena. Mirodana araka izany ny fiheveran’ny Jiosy fa ara-bakiteny ny fanomezan’i Jesoa ny nofony . Efa nisy fampianaran-diso sahala amin’izany koa teo amain’ny tantara . Hamafisina àry fa famantarana fotsiny ihany ny mofo sy divay.

2-Santatry ny fiaraha-misakafo ao amin’ny fanjakan’ny lanitra

« Tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra » (and 25), hoy i Jesoa eto . Midika izany fa mbola hisy io fiombonana na fifandraisana amin’ny fiaraha-misakafo io ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra , ka izay miray latabatra Aminy izao no mbola hiray latabatra Aminy koa amin’ny fotoanandro. Taomina àry ianao mba hiroso ho mpiray latabatra amin’ny Tompo fa santatry ny any an-danitra izany ary azonao hananana anjara dieny izao sahady antoky ny famonjena rahateo izany , satria fanamafisana ny batisa.

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona ho sarotra taomina mba hiray latabatra amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny mpanompon’Andriamanitra dia manao...

Alatsinainy, 25 Oktobra 2021

2 Korintianina 8. 16 – 24 « Fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny…

Ny batisa dia

Alarobia, 1 Septambra 2021

Amin’ny FJKM dia tsy ny habetsaky ny rano no zava-dehibe fa ny fisiany . Aina…

Mpiandry ondry manao ahoana no tadia...

Asabotsy, 21 Aogositra 2021

Misy iraka ampanaovina ny loholona izay hiantefan’ny teny eto: « andraso ny ondrin’Andriamanitra ». Raha ny fahazaran’ny…