Ny fahefan’i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Janoary 2026

Sal 33.1-5 / Hira 3:1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 347

Marka 3,7 - 12
7 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia 8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy. 9 Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo. 10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina*.[*Gr. kapoka] 11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. 12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.

Ny fahefan’i Jesoa

1-Mahasarika olona maro

Hatramin’ny fahazazany i Jesoa no efa nahatalanjona ny olona sy ny mpampianatra maro, rehefa mamoaka hevitra. Fony izy tsy hita dia nitady Azy ny raiamandreniny, ka nahita Azy teo an-kianjan’ny tempoly teo am-povoan’ny mpampianatra izay talanjona tamin’ny fahalalany sy ny famaliany. Amin’ny fotoana rehetra mihitsy no mahasarika olona ny fahefany satria fahefana mampianatra ny fahamarinana sy mitory ny famonjena. Eto dia olona avy amin’ny tanàna maro no tonga nirohotra sy mirodorodo hila vonjy Aminy sy handre ny fampianarany izay mitondra fanafahana sy famonjena.

2-Mitondra fansitranana sy fanafahana

Tsy am-bava fotsiny toy ny an’ny mpikabary mahay izany fahefan’i Jesoa izany, fa fahefana manafaka amin’ny gejan’i satana sy manasitrana ny aretina maro. Ny fahefan’i Jesoa dia netiny namonjena sy nitondrana vahaolana ho an’ny mila vonjy, na ara-nofo teo amin’ny aretina mangeja izany, na teo amin’ny ara-panahy izay nanafahany olona voagejan’ny fanahy ratsy. Voalaza fa na ny fanahy ratsy aza dia nanaiky ny fahefany, araka ny and.11 manao hoe: « Ary ny fanahy maloto raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: ianao no zanak’Andriamanitra ». Maro ankehitriny ny dokam-barotra etsy sy eroa milaza ho manafaka fanahy maloto, manasitrana, sns…… Fitaka avokoa ireny rehetra ireny fa i Jesoa irery ihany no afaka tena hamonjy antsika raha sanatria tojo olana toy ny aretina na fangejan’ny fanahy ratsy.

Fanontaniana:

Inona no efa nanafahan’ny Tompo anao tamin’ny fahefany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny asan’ny Fanahy Masina

Alatsinainy, 19 Janoary 2026

Ny asan’ny Fanahy Masina 1-Mampanaiky ny olona hino an’i Jesoa ho Tompo Ambaran’i Paoly eto…

Andriamanitra mihevitra ny olony

Alahady, 18 Janoary 2026

Andriamanitra mihevitra ny olony. 1-Mahafantatra ny tsy ampy eo amin’ny olony Nahafinaritra tokoa ny fandraisam-bahiny…

Ny fahefan’i Jesoa

Asabotsy, 17 Janoary 2026

Ny fahefan’i Jesoa 1-Manasitrana amin’ny fomba miavaka Ity demoniaka nentina teo amin’ Jesoa ity dia…