Ny fahefan’i Jesoa

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Janoary 2026

Sal 99.1-6 / Hira 167:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336

Matio 12,22 - 30
22 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida? 24 Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia. 25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra. 29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Ny fahefan’i Jesoa

1-Manasitrana amin’ny fomba miavaka

Ity demoniaka nentina teo amin’ Jesoa ity dia sady moana no marenina. Ireo zavatra telo nampahory ity lehilahy ity dia tsy sitram-panafodin’ny mpitsabo (dokotera) satria azo lazaina fa tsy aretina ara-nofo. I Jesoa ilay mpamonjy no manana fahefana mandresy izany. Fomba miavaka tokoa ny fanasitranan’i Jesoa satria tsy tamin’ny fanafody fa ny fahefany am-panahy no nampiala ny fanahin’ny demonia sy nahafahan’ilay lehilahy niteny sy nahita.

2-Mamantatra ny any am-pon’ny olona

Fantatr’i Jesoa, ary tsy nisy niafina taminy ny eritreritra sy ny fanaratsiana tao an-tsain’ny Fariseo izay niampanga Azy ho miara-miasa amin’i Belzeboba. Tsy amin’ny maha mpaminany Azy akory, fa fahefany amin’ny maha Andriamanitra Azy no ahalalany ny ao an-tsain’ny olona. Tandremo tsy hisaina zava-dratsy fa tsisy miafina amin’ny Tompo izany.

3-Mampianatra

Tsy nisalasala i Jesoa nanitsy ny fisainana diso tao antin’ireto Fariseo ireto, ka nampianatra azy ireo fa tsy satana no amoahany demonia; satria ny fanahy mitovy dia tsy hiady an-trano izany. Nampianatra mazava Izy fa ny fanahin’Andriamanitra no amoahany ny demonia mba hahatonga ny fanjakan’Andriamanitra ho amin’ny olona izay tiany hovonjena. Ampianarin’i Jesoa mazava eto fa ny fanahin’Andriamanitra irery ihany no mahery noho i Satana ka afaka handroaka sy handresy azy.

Fanontaniana:

Mino ve ianao hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra ary tsy misy eritreritra miafina Aminy

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny hery sy fahefan ‘Andriamanitra

Zoma, 16 Janoary 2026

Ny hery sy fahefan’Andriamanitra 1-Mahary ny zavatra rehetra Manolona ny fiheveran’ny zanak’Isarely fa nafoin’ Andriamanitra…

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Alakamisy, 15 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo 1- Manome fahefana ho an’ny mpanompony Izy Fahagagana lehibe…

Ny fanasitranan’i Jesoa

Alarobia, 14 Janoary 2026

  Ny fanasitranan’i Jesoa 1- Fanehoana ny asan’Andriamanitra Ahitsin’i Jesoa ny fiheverana fa vokatry ny…