Ny fahatahorana an’ i Jehovah

Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Septambra 2020

OHABOLANA 9.7-12

OHABOLANA 9.7-12
7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. 8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. 9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. 10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. 11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. 12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.

Ny fahatahorana an’ i Jehovah

1-Fiandoham-pahendrena

Ny olon-kendry dia manatanteraka fihetsika sy asa mifanaraka amin’ny zava-kendreny sy ny foto-kevitra ijoroany . Fahendrena ihany koa ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy , fahalalana ny paikan-damina sy ny fepetra mifehy ny tontolo , ary ny fifandraisana fanapahankevitra mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny . Ny bokin’ny Ohabolana dia maneho amintsika fany fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena . Araka izany , raha misy milaza azy ho hendry nefa tsy manana tahotra an’Andriamanitra dia tsy hafa fa fahendren’izao tontolo izao . Fahendrena sadasada toy ny ataon’ny vahiny izay mifono fampianaran-diso .

2-Fahazavan-tsaina

Ny tena fahazavan-tsaina dia ny fananana toe-tsainamifanaraka amin’ny toromarika avy amin’ny Tompo , Ilay fahazavan’izao tontolo izao.Ny olona efa tapa-kevitra hiala tanteraka amin’ny aizina ka tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo ao , mijoro amin’ny finoana , mitandrina ny toromarika avy amin’ny Avo indrindra dia Ilay nahary izao rehetra izao no manana fahazavantsaina . Nomen’Andriamanitra saina mba hanovozana fahalalana isika . Tano mafy àry izay anananao fa fantatrao izao fa « ny fahafantarana ny Iray masina no fahazavan-tsaina  » (and 10) . Koa miorena tsara, aza miova.

Fanontaniana :

Tanisao ireo maha-zava-dehibe ny Tompo.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny...

Asabotsy, 19 Septambra 2020

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30) Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao…

« ny voninahitr’ ity trano ity any a...

Alahady, 6 Septambra 2020

Noho ny zava-misy mampalahelo voalaza eo amin’ny and 3 izay milaza ny faharavan’ny tempoly satri…

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …