ny fahasoavan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Janoary 2026

Sal 124 / Hira 164:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 480:1

Efesiana 3,8 - 18
8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; 10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, 12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany. 14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray 15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy et? an-tany anarana, 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; 17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, 18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.

Ny fahasoavan’Andriamanitra

1-Nanendry an’i Paoly hitory ny haren’i Kristy

Manoloana ny nifidianan’i Jesoa an’i Paoly ho Apostoly mpitory ny filazantsaran’ny famonjeny dia nahatsapa tokoa izy fa fahasoavan’ Andriamanitra izany. Izy izay tsy isan’ireo mpianatra roambinifolo niaraka tamin’ny Tompo sady nanenjika ny fivavahana Kristiana; izy izay taty aoriana indrindra ka ilazany hoe izaho izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra. Tsy ny fahelana no anendren’Andriamanitra ny olona iray amin’ny iraka ampanaoviny fa ny fahasoavan » Andriamanitra izay manova azy ho lasa mpiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny asany. Toy izany koa ny mpianatry ny Tompo: tsy mba ireo olona efa nilona ela tao anatin’ny fivavahana Jiosy. Nanetry tena i Paoly teo anatrehan’izany fahasoavan’Andriamanitra izany.

2-Nanitatra ny famonjena ho an’ny jentilisa

Fahiny dia natao ho an’ny Jiosy ihany ny famonjena, ary zavatra nafenina ho an’ny Jentilisa izany. Tamin’ny andron’i Paoly anefa dia naneho ny fahasoavany Andriamanitra ka nizara ny famonjena ho an’ny hafa firenena koa. Izy no voatendry ho Apostolin’ny Jentilisa mba haneho amin’izy ireo ny zava-miafin’ny fanjakan Andriamanitra izay nafenina azy ireo fahiny. Nanana fahasahiana tokoa i Paoly tamin’ny fanatanterahana izany asa masina nanirahan’ny Tompo azy izany satria natoky sy nino Azy izy. Nampahery ny Jentilisa izy mba tsy ho kivy amin’ny fahoriany fa fahasoavana ho azy ireo izany.

Fanontaniana:

Inona no iraka ampanaovin’Andriamanitraka hahatsapanao fa fahasoavany tokoa izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Ny làlana itondran’Andriamanitra ny ...

Alarobia, 21 Janoary 2026

Sal145.1-5/Hira165;1-2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira627:1- Eksodosy 15.22-26 Ny làlana itondran’Andriamanitra ny olony 1-Izay hahafahany maneho ny famonjeny Ny lalana…

Ny fahefan’i Jesoa

Talata, 20 Janoary 2026

Ny fahefan’i Jesoa 1-Mahasarika olona maro Hatramin’ny fahazazany i Jesoa no efa nahatalanjona ny olona…

Ny asan’ny Fanahy Masina

Alatsinainy, 19 Janoary 2026

Ny asan’ny Fanahy Masina 1-Mampanaiky ny olona hino an’i Jesoa ho Tompo Ambaran’i Paoly eto…