Ny Andriamanitry ny Israely

Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Desambra 2025

Sal 135.1-5 / Hira 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 34

Jeremia 14,19 - 22
19 Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana*, fa indro fampitahorana.[Na: fahafinaretana] 20 Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay. 21 Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay. 22 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin*'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']

Ny Andriamanitry ny Israely

1-Mitaiza azy amin’ny fahoriana

Manoloana ny fahotan’ny zanak’Israely noho ny fanalavirany an’Andriamanitra dia mamela azy hiaina amin’ny fahoriana Andriamanitra, mba hahatsapany ny fahadisoany. Izany anefa dia nahatonga azy ireo nametraka fanontaniana hoe: nanadino azy ireo tokoa ve Andriamanitra? Tsia, tsy hoe manadino akory Andriamanitra fa mitaiza ny zanany, ka mitondra azy ireo amin’ny fahoriana. Na dia nisy aza ny fifonana nataon’i Jeremia dia tsy niverina amin’ny loza izay efa nomaniny hatao ho azy ireo Andriamanitra, mba ho lesona ho an’ny taranaka any aoriana any; ary tsy hialany amin’Andriamanitra intsony rehefa miverina Aminy. Fitiavana no hanafaizany azy fa tsy fanadinoana.

2-Andriamanitra tokana tsy misy toa azy

Ao anatin’izany fahoriana izany sy ny fahatsiarovany ny fahotany no nahatsapan’ireto zanak’Isiraely fa tsy misy andriamanitra manana fahefana sy hery afaka hamonjy azy ireo afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Izy irery ihany no azo ianteherana sy ametrahana fanantenana araka ny voalaza hoe « Fa tsy ianao ihany va no Izy ry Jehovah Andriamanitra ô? » tsy misy andriamanitra toa Azy tokoa satria Izy no mizara fahasoavana amin’ny masoandro, mampilatsaka ny ranon’orana mamonto ny tany mba hahavokatra. Izy irery ihany no azo antenaina fa fahavoazana no ateraky ny fanalavirana Azy.

Fanontaniana:

Mino ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny mpanota tokoa ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe