Nijaly mba ho fanamarinana ny olona i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Aprily 2026

Sal 128 / Hira 231, 1-2-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 550

1 Petera 3,18 - 22
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy, 19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, 20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano, 21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra] 22 Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

Nijaly mba ho fanamarinana ny olona i Jesoa Kristy

Mampahafantatra antsika zanak’olombelona izany fa ho an’i Jesoa Kristy, ny fijaliana dia lalana ho amin’ny voninahitra sy famonjena ny zanak’olombelona. Misy zavatra enina (6) mampiavaka ny fijalian’i Jesoa Kristy ka nahatanterahany ny famonjena ny olombelona tamin’izany:

1- Ny fijaliany dia nekeny mba ho fisoloana voina ny mpanota koa afaka ny mpanota izay mino sy mandray Azy satria novelominy tamin’ny fahafatesana;

2- Maharitra mandrakizay ny fanolorantenany. Maty in-dray mandeha Izy mba hanafoana ny fahotana;

3- Niaritra izany teo amin’ny toeran’ny olona Izy, marina Izy nefa nisolo ny tsy marina. Nataon’Andriamanitra nihatra taminy ny vesatra tokony ho nozakain’ny olona;

4- Mampihavana ny olona amin’Andriamanitra Izy satria ny ota izay nampisaraka dia afaka;

5- Tena ny mafy indrindra natao tamin’ny olombelona no nozakainy: fikapohana, fampijaliana, famantsihana, famonoana;

6- Tsy nijanona tamin’ny fahafatesana anefa Izy fa natsangan’ Andriamanitra ka nandresy ny fahafatesana. Hita mantsy fa na dia novonoina tamin’ny nofo aza Izy dia novelomina tamin’ny Herin’ny Fanahy Masina indray mba hialoha lalana ny mino Azy rehetra.

Fanontaniana:

Ho an ‘iza no naneken’i Jesoa Kristy hiaritra ny fijaliana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Vita ny famonjena

Zoma, 3 Aprily 2026

Zoma 03 Aprily 2026 Sal 105: 1-8 / Hira 42,1-2-3 / Vavaka / Mofonaina /…

Tsy ny avo feo akory no mañana ny fa...

Alakamisy, 2 Aprily 2026

Tsy ny avo feo akory no mañana ny fahamarinana 1- Misy ny marina eo anatrehan’ny…

Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny...

Alarobia, 1 Aprily 2026

Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny fahefana Hoy i Jesoa Kristy tamin’ny mpianany: Andeha isika…