Mpitsara marina Andriamanitra ka :

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Janoary 2021

SALAMO 9.1-10

SALAMO 9.1-10
1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. 2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, 3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. 4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. 5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. 6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana] 7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. 9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. 10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.

Mpitsara marina Andriamanitra ka :

1-Mendrika hoderaina (and-4)

Araka ny efa voambara teo dia tena mbola ao anatin’ny ady sarotra ny mpanao salamo eto , kanefa efa manandratra fiderana an’ Andriamanitra sahady izy . Ny antony dia satria fantany tamin’ny traikefany niaraka tamin’ Andriamanitra fa miandany amin’ny olony Andriamanitra . Izany fahazoana antoka ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra . Izany no mahatonga ny finoany hiorina tsara , toy ny hoe : efa azony sahady ny fandresena . Ianao koa , aza variana mitanondrika eo anoloan’ny adinao fa asandrato ny fiderana .

2-Manafay ny ratsy fanahy (and 5,6)

Mihasinkasina eto koa fa tsy avelan’Andriamanitra hiala maina ny ratsy fanahy . « Efa nanarinao mafy ny Jentilisa , efa naringanao ny ratsy fanahy , ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria« , hoy ny mpanao salamo . Saro-piaro amin’ny olony Andriamanitra ka tsy mamela azy ho viravirain’ny fahavalony , fa miasa Izy ( matoanteny maneho hetsika , ary Andriamanitra no mpanao) hanome rariny ny olony . Mampahatsiaro ny tantaran’i Mordekay sy Hamana izany (Est 6.13) . Fa hoy koa i Jesoa hoe :

3-Fiarovana azo antoka Izy (and7-10)

Ambara mazava eto hoe : « Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra , ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy » . Ny dikan’ny hoe : fiarovana avo dia hoe : toerana azo ialokalofana , ary tsy tratran’ny fahavalo , izany hoe: toerana ahitana fitsaharana na dia ao anaty ady tanteraka aza , mandry fahalemana izay eo aminy . Moa ve tsy izany no antso nataon’i Jesoa ho an’ izay miasa fatratra ka hilazany ny fahavononany hanome fitsaharana (Mat 11.28).

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny fahalalana ny maha- mpitsara marina an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny fanjakan’Andriamanitra

Zoma, 15 Janoary 2021

Ny fanjakan’Andriamanitra Araka ny Soratra Masina dia ho levona izao tontolo izao ankehitriny , dia…

Ny olona mahatsapa ny fahalehibiaz...

Alakamisy, 14 Janoary 2021

Ny olona mahatsapa ny fahalehibiazan’Andriamanitra Ny zavatra rehetra niseho teo amin’ny fiainan’i Joba no nahatsapany…

Ireo iraka nampanaovin’ny Ray an’i...

Alarobia, 13 Janoary 2021

Ireo iraka nampanaovin’ny Ray an’i Jesoa Rehefa vita ny fizahan-toetra tsy maintsy nolalovan’i Jesoa dia…