« Mofon’aina, Sakafo sahaza ny Fanahy »

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Desambra 2025

Sal 117.1-2 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 383

Joba 11,13 - 20
13 Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, 14 Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; 15 Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; 16 Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. 17 Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. 18 Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy. 19 Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. 20 Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.

Ny hevitr’i Zofara hanarenana an’i Joba

1-Miantoraka sy mibebaka amin’Andriamanitra

Ireo naman’i Joba telo lahy izay tonga nitsapa alahelo sy nampahery azy dia tsy nino ny filazan’i Joba, ny amin’ny maha tsy manan-tsiny azy, manoloana izao fahoriana manjo azy izao. Iray amin’ireny i Zofara. Nihevitra izy ireo fa manamarin-teana i Joba, ka dia nandroso hevitra an’i Joba izy mba hanatrika an’Andriamanitra sy hiala amin’ny fahotana izay fototry ny fahoriany. Izany tokoa mantsy ny fihevitry ny olona maro: tsy mitrangatranga ho azy ny toy izao manjo an’i Joba izao, fa valim-pahotana. Na izany aza dia fahendrena ho antsika raha sanatria misedra olana toy izany ny miantoraka sy mandini-tena eo anatrehan’ Andriamanitra, ary miala amin’ny fahotana.

2-Manana fanantenana

Ambaran’i Zofara fa raha manatrika an’Andriamanitra tokoa i Joba dia afaka hanana fahatokiana indray fa mandalo fotsiny izao fahoriana izao. Hamonjy azy Andriamanitra; ka raha maro no nanadino azy sy nandao azy tao anatin’ny fahavoazany, (satria tokoa ny omby mahia tsy lelefin’ny namany) dia ho maro kosa ireo hila sitraka aminy amin’ny androm-pamonjena, izay hanarenan’Andriamanitra indray ny fiainan’i Joba sy hanomezany azy mihoatra noho izay nananany teo aloha. Hangaina ny mason’ny ratsy fahany mijery ny fahasoavana azo antoka homen’Andriamanitra azy indray. Ny olona vita fibebahana tokoa dia afaka manana fanantenana hiaina ny fahasoavana.

Fanontaniana:

Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Zofara, inona no nataonao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe