Moa efa nisy nampanantenain’Andriamanitra anao va ka tsy nataony ?

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Febroary 2022

Genesisy 21. 1 - 8

Genesisy 21. 1 - 8
1 [Ny nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny. 2 Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. 3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka. 4 Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy. 5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy. 6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. 7 Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy. 8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.

Moa efa nisy nampanantenain’Andriamanitra anao va ka tsy nataony ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mitàna ny Teniny ny Tompo

Alakamisy, 24 Febroary 2022

Mitàna ny Teniny ny Tompo Ny tantaran’i Balama sy Balaka mpanjaka no ao amin’ny Nomery…

Nahoana no tsy mahita ny haben’ny fa...

Zoma, 18 Febroary 2022

Mampianatra antsika ity perikopa ity fa : 1-Masi-mandidy Andriamanitra (and14-18) « Koa izay tiany hamindrana fo…

Mandehana araka ny mazava

Alakamisy, 6 Janoary 2022

Mandehana araka ny mazava Zava-dehibe mahakasika ny fahatanterahan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy ny fiombonan’ny samy mpino…