Miteny sy manafatra mandrakariva ny Soratra Masina
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Febroary 2026
Sal 24.7-10 / HF6:1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 6:2
Eksodosy 7,14 - 24
14 [Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy. 15 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao), 16 dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko et? an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy. 18 Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao. 19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato. 20 Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; 21 koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. 22 Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah. 23 Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. 24 Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.Miteny sy manafatra mandrakariva ny Soratra Masina
Hafatra telo mazava no omen’ny Tompo antsika anio
1. Aza manamafy fo (and 14)
<< Efa mafy ny fon’i Farao, ka manda tsy handefa ny olona izy» hoy i Jehovah tamin’i Mosesy. Maneho amintsika izany fa tsy miafina amin’i Jehovah ny toe-po ao anaty tsy miloaka. Ny hevitry ny hoe mafy fo eto dia hoe tsy te hahalala izay lazain’ Andriamanitra any fa miziriziry amin’ny hevi-disony fotsiny izao, minia manakimpy maso ka tsy manisy vidiny ny Tompo na dia efa nasehon’ny Tompo taminy miharihary izao aza ny heriny! (and 10)
2. Mihainoa (and 16)
« dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka… fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.» Asehon’ny Tompo eto fa na dia mafy fo aza i Farao, tsy nangina ny Tompo fa mbola te hitaona azy hiova fo, mbola tsy avy hatrany dia nikapoka mivaivay fa mbola miteny, ary mahavariana fa mbola miteny am-pitiavana sy amim-panajana! Koa aza dia manentsi-tadiny re rehefa mbola itenenan’ Andriamanitra! Henoy Izy!
3. Mba tsy hanenina tokoa (Eks 7.14-11.10)
Fantatsika ny tohin’ny tantaran’i Farao, fa loza sivy no efa nalefa fa dia tsy niova tamin’ny fanapahan-keviny ity farany! Ary mbola nivonona ny hanohitra ihany aza. Taorian’izany dia nihatra aman’aina amin’izay ny loza faholo: maty ny voalohan-teraka rehetra! Izay vao nilefitra ilay maditra! Ry havana, dia hiandry kapoka mihatra aman’aina ve vao hihaino sy hankato? Tsarovy ny Oha 29.1. Ary aoka tsy hohadinoina fa i Jesoa, Tenin’ Andriamanitra tonga nofo dia fitiavana sy fialana nenina amintsika! Minoa, mankatoava ary dieny mbola mandre! Aza manao tsinontsinona!
Fanontaniana:
Nahoana no tsy ankatoavin’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe