Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Martsa 2026

Sal. 25, 7-6 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334

Marka 10,35 - 45
35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao. 36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo? 37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao. 38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa? 39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; 40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena. 41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy. 42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy. 43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. 44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra. 45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

1.Tsy mahasoa ny fifandirana

Raha vao vita ny fanambaran’i Jesoa mialoha momba ny hijaliany dia nitranga ny fifandirana teo amin’ny zanak’i Zebedio, dia Jakoba sy Jaona.Fifandirana toy izany koa no hita amin’ny 9, 30-33. Fifandirana tsy mahasoa fa mikasa hisongona ireo namany. Toa mila voa tsy ary izy ireo raha nangataka tamin’i Jesoa ireo toeram-boninahitra roa lehibe indrindra ao amin’ny fanjakany. Tranga mety hiseho eo amin’ny asa fanompoana amin’ny tontolo izay nanendrena antsika koa ny toy izany, kanefa tsarovy fa tsy mahasoa antsika izany. Fotoam-pandinihan-tena izao, diniho tsara izay atao, ialao izay tsy mahasoa anao, halaviro ny fifandirana.

2.Ialao ny fitiavan-tena

Raha lazaina tsotra ny fangatahana izay nataon’i Jaona sy Jakoba dia fitiavan-tena tsotra izao. Tsy nijery ny hafa fa ny tenany sy izay hahatrarany ny tanjona izay nokendren’izy ireo sy narosony tamin’i Jesoa. Ny fitiavan-tena dia tsy mahasoa, na amin’inona na amin’inona, mba jereo ny hafa, fa aza ny tenanao ihany.

3.Mahaiza manetry tena

Na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy (and.43). Tsy tokony hiseho ho lehibe eo amin’ny andraikitra izay nanendrena antsika isika, na amin’ny fahefana. Tsy sitrak’Andriamanitra izany, fa ny fanetren-tena no sitrany. Ny fanandratan-tena mantsy dia midika fanambaniana ny hafa, ary fanaovana tsinontsinona ny sitrapon’Andriamanitra. Izay manetry tena no hasandratra.

Fanontaniana :

Toetra tokony hananan’ny mpanompon’Andriamanitra ve ny fanaovana tsinontsinona ny hafa ?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fitsaran’Andriamanitra

Alahady, 22 Martsa 2026

Ny fitsaran’Andriamanitra 1.Tsy azo ihodivirana (and.3) Teo amin’ny faliny etika sy ny fomba fiainana dia…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Asabotsy, 21 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo. 1.Efa nandao, nihodina tamin’i Jehovah ny Israely Voalaza ao…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Zoma, 20 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany…