Mitarika h amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Martsa 2026

Sal. 105, 1-5 / Hira 16 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 409

Jeremia 2,29 - 32
29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah. 30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana* ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana] 31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah] 32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo.

1.Efa nandao, nihodina tamin’i Jehovah ny Israely

Voalaza ao amin’ny toko 2 and 29-37 amin’ny bokin’i Jeremia fa nilaza ho tsy manantsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny Israely. Tsy manaiky izy ireo fa nihodina tamin’Andriamanitra, kanefa dia mazava ny teny izay nambaran’ny mpanoratra eto fa nandao, nihodina tamin’Andriamanitra, ary lasa tany efitra ho an’ny Israely Andriamanitra. Koa satria nihodina tamin’Andriamanitra izy ireo nanao izay tiany hatao, afaka manadino ny didin’Andriamanitra, tsy hankato ny sitrapon’Andriamanitra (and. 29-31). TRanga mety hiseho, na efa lalana nolalovantsika koa izao nataon’ny Israely izao. Tsarovy fa mitaona antsika ny Tompo ho amin’ny fandinihan-tena, halaviro ny fandavana ny Teniny, meteza mandrakariva hanetritena, diniho ny tenanao. Tsy mety ny miala amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

2.Nifandahatra, nifaninana tamin’Andriamanitra ny Israely

Matetika ireto Israely ireto dia nandao an’Andriamanitra, nanao andriamani-kafa izay nanankinany ny fiainany, nijangajanga no ilazan’ny Soratra Masina azy. Nifandahatra, nifaninana tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny tapakazo sy vato. Izany hoe lasa nanompo sampy ireo mpanompon’Andriamanitra. Hadinony avokoa ny asa lehibe nataon’i Jehovah taminy. Matetika misy eo amin’ny fiainam-panompoana ny toy izany rehefa miseho ny fanandratan-tena eo amin’ireo tsy mino sy tsy matoky an’Andriamanitra. Manao ho Andriamanitra ny tenany, lasa mifaninana, mifandahatra amin’Andriamanitra, fahotana anefa izany.

Fanontaniana :

Tsara ve ny mifandahatra min’Andriamanitra velona ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Zoma, 20 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany…

Ireo irak’i Jaona mpanao Batisa

Alakamisy, 19 Martsa 2026

Ireo irak’i Jaona mpanao Batisa 1.Milaza ny asa nataon’i Jesoa «Ny mpianatr’i Jaona dia nanambara…

Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena n...

Alarobia, 18 Martsa 2026

Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Aza mandika ny didin’Andriamanitra Raha ny tantara izay voalaan’ny…