Mitaona ho amin’ny fahadisoana ny ratsy fanahy
Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Aogositra 2023
2 Petera 3,17-18
2 Petera 3,17-18
17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.17 Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;
18 fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
2 Petera 3,17-18
Mitaona ho amin’ny fahadisoana ny ratsy fanahy
Tano mafy izay efa anananao
Taomina sy resena lahatra ny Kristiana eto mba tsy hiala mihitsy amin’izay efa niorenana dia izay efa ao anaty. Tsy zavatra vao ampianarina ny olona akory izany ka tefitefena fotsiny mba hisy fa efa eo ary izany no itenenana hoe tano mafy izay efa ananana. Ny tena tiana ambara amin’izany dia ny fananana sy fitanana ny finoana an’Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina. Miresaka ny foto-pinoan’ny Fiangonana mihitsy ny Soratra Masina amin’izany, ary izay mihitsy no asaina tanan’ny Kristiana mba tsy hihozongozona. Ny foto-pinoana tanan’ny Fiangonana mantsy dia zavatra tsy azo ovana mihitsy ka tsy tokony ho voahozongozona ny olona amin’izany.
Mitomboa hatrany ao amin’i Jesoa Kristy
Ambaran’ny Soratra Masina hoe « tsara Jehovah » koa raha mety manandrana sy manana anjara amin’izany ny olona dia tsy hiala maina tsy akory fa afaka hitombo amin’ny fahalalana Azy ary hisitraka ny soa omeny
.
Fanontaniana:
Ilaina ve ny miorina amin’ny finoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM