Mitahiry ny teny ao am-pony

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Oktobra 2023

OHABOLANA 3.1-12

OHABOLANA 3.1-12
1 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; 2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. 3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, 4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. 5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; 6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, 7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. 8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. 9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; 10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. 11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; 12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

1-Mitahiry ny teny ao am-pony (and 3b)

« Afehezo eo ambozonao izany , ary soraty eo amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka  » .Mihasikasina ao anatin’izany fa tsy manadino ny fanananarana azy ny olona mahay mitondra tena .Tsy olona mitelina voamanadino ka manamavo ny toro-làlana sy ny toromarika samihafa asaina tandremana fa amitahiry ireny ,tsy ao an-tsaina fotsiny akory aza fa tena ao am-po mihitsy .Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : isaky ny mitepo ny fo dia tsaroana miaraka amin’izay ny teny sy ny lalàn’Andriamanitra , ary vokatr’izany dia mahazo fiadanana izy (and2) .

2-Matoky an’Andriamanitra (and5)

« Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra , fa aza miankina amin’ny fahalalanao » .Tsy mihevitra ho mahavita tena ka hiantehitra amin’izay heverina ho traikefa na fahalalana ananana fa mametraka ny fiainana manontolo mihitsy eo anatrehan’Andriamanitra .

3-Manaiky anarin’Andriamanitra (and11)

« Anaka ,aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany« . Ny olona tsar fitondrantena dia tsy manao zinona ny fanitsian’Andriamanitra ny diany amin’ny fomba samihafa ,fa mifanohitra amin’izany aza ,mikatsaka mandrakariva ny toro-làalana avy amin’Andriamanitra ary anariny dia mandini-tena sy manitsy ny dia fa ts miziriziry sy manamafy hatoka .

Fanontaniana:

Ahoana no hananana fitondrantena tsara?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Inona no tokony hatao mba tsy hahadi...

Talata, 17 Oktobra 2023

Abaribarin’i Jesoa eto fa ny antony mahadiso hevitra ny olona ka mahatonga azy te-haka fanahy…

Ny fanambadiana

Zoma, 13 Oktobra 2023

1Korintiana 7,1-16 Ny fanambadiana 1-Fiombonana aina « Aoka ny lahy hanao izay mety amin’ny vavy,ary…

Ny firosoana amin’ny fanambadiana

Alakamisy, 12 Oktobra 2023

Ny firosoana amin’ny fanambadiana 1-Misy fangatahana « … raha mby amin’izay andro angatahan’ olona azy ho vady »(and8).Dinidinika…