Misitraka famonjena ny mino

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Septambra 2025

Sal 100 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 808.1

Matio 9,27 - 31
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: MamindrĂ  fo aminay, ry Zanak'i Davida Ă´! 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. 29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao. 31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

Misitraka famonjena ny mino

Rehefa mahalala ny maha Mesia an’i Jesoa

Niantsoantso ireto jamba roalahy ireto, nanao hoe: « Mamindrà fo aminay ry zanak’i Davida ô!» (and.27). Ny hoe: Zanak’i Davida, dia entina milaza fa Mesia na Kristy Izy. Nahalala sy nino ireto jamba roa lahy ireto i Jesoa no Kristy. Ny Soratra Masina, ao amin’ny Isaia dia milaza mazava fa ny mampiavaka ny Mesia dia noho Izy mampahiratra ny jamba (Isa 29, 18; 35, 5; 42, 7). Izany fahalalana ny Soratra Masina izany no mitondra finoana tao amin’ireto jamba ireto fa i Jesoa no Mesia. Izany no nahatonga azy hiantsoantso hoe: « Mamindrà fo aminay ry zanak’i Davida ô!». Afaka misitraka famonjena ny mino rehefa mahalala ny maha Kristy an’i Jesoa, ary finoana miorina sy tovozina ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Soratra Masina masina izany.

Rehefa manana faharetana mangataka sy mivavaka

Raha niantsoantso an’i Jesoa teny an-dalana ireto jamba ireto, dia tsy namaly azy ireo i Jesoa, fa nanohy ny lalany ary namonjy trano. Nony tao an-trano Izy, indreto mbola nanjohy Azy hatrany ary nanaraka Azy ihany ireto jamba ireto. Tao an-trano i Jesoa vao nanontany azy ireo hoe: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho. Eny Tompoko, hoy izy irco (and.28). Nanaraka hatreny an-dalana ka hatrany an-trano. Milaza faharetana izany. Izay mino tsy maintsy maharitra: « Mahareta koa ianareo » (Jak 5, 8). Mahareta mivavaka « Mahareta amin’ny fivavahana » (Rom 12, 12). Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Tena ilaina ny faharetana sy ny fiaretana amin’ny finoana.

Fanontaniana:

Moa ve tsy maintsy ilaina ny faharetana rehefa mivavaka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe