Miomana handray ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Novambra 2022

Obadia 17-27

Obadia 17-27

Miomana handray ny Tompo

Ny soratra Masina eto anoloantsika eto dia manambara indrindra ny andro hiavian’ny andron’ny Tompo . Misongadina eto amin ny mofonainantsika anio fa :

1-Fotoam-pamonjena izany

And.17-18a: Hisy hery izay atafin’ Andriamanitra ny olony ka ho tonga famonjena ny androm-piainany Ary zany no tombony lehibe ho antsika raha manana an’Andriamanitra eo amin ny fiainana isika . Ho tonga fiainam-pitahiana ny fiainantsika ka tsy ho lavom-pahavalo satria Andriamanitra no momba antsika

2- Fotoam-paharavan’ny fahavalo izany

And. 18b: Edoma no fahavalo ambaran’Andriamanitra eto , ary izay tenenin’Andriamanitra dia tsy maintsy ho tanteraka satria sady miteny Izy no miasa. Toky lehibe ho antsika izany satria Andriamanitra mihitsy no mandray andraikitra manafoana ny herin ‘ny fahavalontsika. Tokony hametraka ny adintsika Aminy isika

3- Fotoam-pitahiana izany

And. 19-21l: Ny fihitaran’ny tany onenan’ny Zanak Israely no ambara eto araka ireo fokom-pirenena ireo avy. lzany no hanambaran’ny Tompo fa tsy ny fahavalo ihany no ho reseny fa ny fitahiana ihany koa dia hampitomboany. Dia toy izany koa no ataony amintsika raha maharitra amin’ny fiandrasana azy isika. lzy no mahay mampitombo ny fitahiany ho antsika .Raha tsara fiomanana sy maharitra isika dia hilaza amintsika iJesoa amin’izany fotoana izany hoe : « Avia lanareo ry notahin’ Raiko, mandovà fanjakana zay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo zao » (Matio 25 34)

Eanontaniana

Inona no zavatra antenainao amin y fiavian y andron ‘

Tompo

13


Mofon'aina teo aloha

Miomana handray ny Tompo ry reraka a...

Alahady, 6 Novambra 2022

Miomana handray ny Tompo ry reraka am-po 1. Fa ho avy Izy « Lazao amin’izay reraka…

Tandremo ny fonao tsy haloto

Asabotsy, 5 Novambra 2022

1 Samoela 18. 5-9 Ity tantara ity dia niseho taorian’ny nandavoan’i Davida an’i Goliata. Fa…

Ho avy ny andron’ny Tompo

Zoma, 4 Novambra 2022

1 Petera 1 : 1 – 9 Ho avy ny andron’ny Tompo 1- Efa nateraka…