Mino an’Andriamanitra velona sy mpanavotra ve ianao ?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Aprily 2022

JOBA 19.25-29

JOBA 19.25-29
25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany] 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho] 27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako] 28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy] 29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.

Mino an’Andriamanitra velona sy mpanavotra ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mitoera ho mpanompo mahatoky

Alatsinainy, 28 Martsa 2022

Mitoera ho mpanompo mahatoky Ity tantara ity dia notsongaina tao amin’ny tantara manambara ny nifidianana…

Hazony mafy ny famonjena

Alahady, 20 Martsa 2022

Hazony mafy ny famonjena 1-Natolotra ho antsika ny famonjena Ny fanafahana tany Egypta dia tsy…

Ahoana no ahazoano antoka fa hefain’...

Alatsinainy, 28 Febroary 2022

2- Ekeo am-panetren-tena ny Teniny (and 38) Nanaiky i Maria ho fitaovana hanatanterahana ny famonjena,…