Milaza inona aminao ny tantaran’i Jona?

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Aprily 2022

JONA 2.1-11

JONA 2.1-11
1 [Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. 2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona 3 ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela] 4 Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra. 5 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. 6 Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. 7 Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô. 8 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina. 9 Izay mivavaka amin'ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb. ny famindram-pony] 10 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. 11 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.

Milaza inona aminao ny tantaran’i Jona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mitoera ho mpanompo mahatoky

Alatsinainy, 28 Martsa 2022

Mitoera ho mpanompo mahatoky Ity tantara ity dia notsongaina tao amin’ny tantara manambara ny nifidianana…

Hazony mafy ny famonjena

Alahady, 20 Martsa 2022

Hazony mafy ny famonjena 1-Natolotra ho antsika ny famonjena Ny fanafahana tany Egypta dia tsy…

Ahoana no ahazoano antoka fa hefain’...

Alatsinainy, 28 Febroary 2022

2- Ekeo am-panetren-tena ny Teniny (and 38) Nanaiky i Maria ho fitaovana hanatanterahana ny famonjena,…