Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

1 Jaona 4.4-6
4 Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. 5 Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. 6 Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

1 Jaona 4.4-6

Ny olona  mahay manavaka ny fampianarana 

1-Manana  ny Fanahy masina 

Mananatra   ny kristiana  i Jaona   mba tsy hinohino foana  ny fanahy rehetra . Miankina amin’ny fanahy miasa  ao anatin’ny olona ny fampianarana ambarany . I satana  dia miezaka  mandrakariva  ampirenireneny  ny olon’ Andriamanitra . Kanefa  rehefa manaiky tarihin’ny Fanahy masina  dia mahay manavaka  ny fampianarana marina  amin’ny fampianaran-diso ny  mpino . Tsarovy  fa miaina  eto  anivon’izao tontolo izao  isika , maro   ireo karazam-pampianarana  miseho   ankehitriny . Meteza  hotarihan’ny Fanahy masina  ianao   dia hiorina  tsara  amin’ny finoana , hitoetra  amin’ny famonjena  efa notanterahin’i Kristy .

2-Tena olon’ Andriamanitra 

Ambaran’i Jaona  eto   fa iraka  avy amin’ Andriamanitra  izy .  Iraka  maneho  ny fahamarinana araka an’ Andriamanitra . Ny tena  olon’ Andriamanitra   miombom-piainana amin’ Andriamanitra  « mahalala an’ Andriamanitra  » mahay  mihaino  , mahay mandray  ny fampianarana  entiny . Izao  tontolo izao  ihany  no afaka  mifampihaino  , mifampizara  fampianarana . Ampitandremana fatratra noho izany  ny  mpino  tsy handray  ny fampianarana mifanohitra  amin’ny finoana  marina mahakasika an’i Jesoa Kristy  , Ilay Andriamanitra tonga nofo  namonjy  ny olona rehetra .

Fanontaniana:


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Alatsinainy, 19 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  1 Samoela 3.1-14 Ny olona itenenan’Andriamanitra  1-Miombom-piainana Aminy  Noho   ny fahotan’ny…

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo

Alahady, 18 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo Jeremia 36.1-10 Mampibebaka ny mpanjaka sy ny Joda Andriamanitra  1-Mampanoratra an’i…