Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Lioka  8.4-15
4 Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy: 5 Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina. 6 Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 9 Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany. 10 Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] 11 Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. 13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. 14 Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Lioka  8.4-15

Mahaiza  mihaino  mba hamonjena  anao 

Mampieritreritra  ny filazana  ny voa nafafy  any  amin’ny  toerana  samihafa  tsy  tokony  hamafazana  akory  , araka  ny voalazan’ny fanoharana . Ny famafazana voa ho an’ny mpamboly  dia tokony  ho olona efa  voaomana . Ny mpamafy  koa tokony  ho olona efa mahafantatra  ny hataony . Mazava  kosa anefa  ny hafatra  tiana  hampitaina  amin’izao fanoharana  izao , satria  ny mpamafy  dia olona tsy  mifidy  tany  hamafazana . Tena  mahalasa


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Asabotsy, 10 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  Kolosiana 3.16-17 Ny Tenin’ Andriamanitra  ao anaty  Raha miteny   i Paoly …

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Zoma, 9 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  Jaona 10.22-30 Izay te- hahafantatra  an’i Jesoa Kristy 1-Taomina hino  ny…