Mifandray amintsika Ilay Andriamanitra miafina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Mey 2018
Jaona 4,12 - 16
12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto? 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; 14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. 15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. 16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa at? .Mifandray amintsika Ilay Andriamanitra miafina
Tena mahagaga ny fombanâAndriamanitra ! Miafina Izy, nefa mifandray sy mitoetra ao anatintsika. Misy porofo izany :
1– Aminânv toetrantsika maneho fitia mifamalv
Ny and. 12 aminâity Mofonaina anio ity no milaza fa tsy hita ary miafina ny Tompo nefa mitoetra ao amintsika. Tsy maintsy hita vokatra eo aminâny toetrantsika izany dia ny fanehoantsika fitia mifamaly, na fifankatiavana. Izay itoeranâAndriamanitra dia misy fitiavana, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ny fifankatiavana no manamarina sy manaporofo fa mitoetra ao aminâny olona Andriamanitra.
2- Aminânv fanekena hotarihinânv Fanahy
Ny fifankatiavana no voalazaeo aloha fa porofonâny fitoeranâAndriamanitra ato amintsika, fa ny Fanahy izay nirahina ho ao aminâny mpino kosa no mitarika azy hitoetra ao Aminy, mba hanamafy orina ny fifandraisantsika aminâAndriamanitra. Ekeo hitarika antsika ny Fanahy dia ho mafy orina ny fiombonana sy ny fifandraisantsika aminâAndriamanitra. Aminâizay, dia Izy ho ato amintsika ary isika ho ao Aminy.
3- Aminânv fanekena ny fĂŻnoana an’i Jesoa.
Aminâny fĂŻnoana anâi Jesoa tena no ifandraisantsika aminâllay Andriamanitra miafina. Araka ny fĂŻnoana fa nirahinâny Ray hamonjy izao tontolo izao Izy (and. 14). Tsy ampy ny hoe : mino anâAndriamanitra Ray fa izay rehetra te- hifandray Aminy dia tsy maintsy manaiky ampahibemaso ny finoany anâi Jesoa ho ZanakâAndriananitra. Na i Jesoa aza efa nilaza hoe : « Minoa an âAndriammitra ary minoa Any koa » (Jao. 14:1).
Fanontaniana:
Marina aminâny fĂŻnoana krisiana ve ny tenim-pahendrenâizao tontolo izao hoe : « Nohariana hotiavina ny olona » ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM