Mifamatotra amin’ny fahalalana ny Soratra Masina ny vavaka

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Febroary 2026

Sal 125 / Hira 170:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira F.54

Matio 21,18 - 22
18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana. 19 Ary nahita hazo aviavy* anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[*aviavimbazaha] 20 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? 21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. 22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

Mifamatotra amin’ny fahalalana ny Soratra Masina ny vavaka

Fihetsika nahatalanjona ireo mpianatra no nasehon’i Jesoa tamin’ny nanozonany ka nahamaina ilay aviavy tsy nahitam-boa. Mampianatra ny amin’ny finoana marina i Jesoa ary manazava izay tokony hiainan’ny olona izany.

1. Mahatalanjona ny vokatry ny finoana

Ny endrika voalohany mahatalanjona dia ilay hitan’ny mpianatra rehefa nampiseho fahagagana ka nahamaina vetivety ilay aviavy ny Tompo. Fa mbola nampiany ihany koa hoe mahafindra tendrombohitra ny finoana. Rehefa tena takarina tokoa mantsy ny hevitry ny finoana dia maneho ilay fahatokiana an’Andriamanitra, Izy ilay mahay manao mihoatra ny takatry ny saina, ary izany no ambaran’i Jesoa eto. Ny finoana dia tsy voafehy na voafetran’ny zavatra hain’ny olombelona fa anehoan’ Andriamanitra ny asany mahagaga. Eny, mety hifanohitra amin’izay heverina ho tokony ho izy mihitsy aza.

2. Lavitry ny fisalasalana ny finoana

Ny finoana tsy miahanahana no miteraka ireo vokatra ireo. Ny fangatahana amin’ny vavaka izay atao amin’ny finoana dia misy vokany. Ny Fiangonana dia mampianatra fa tsy afaka misaraka amin’ny fahalalana ny Soratra Masina ny vavaka, ka mamantatra tsara izay sitrapon’ny Tompo aloha vao mangataka. Tsy mibaiko na manery Azy koa anefa isika fa mametraka tsara ny maha-Tompon’ny fanapahan-kevitra feno Azy. Tsarovy mandrakariva fa mamaly vavaka ny Tompo, ary mahay ny mahasoa antsika Izy. Ny andrasany amintsika dia ny faharesen-dahatra feno sy lalina ary maharitra, izay ilay finoana. Noho izany dia mila hamafisina sy hatsaraina hatrany ny fifandraisana lalina amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Tena amin’ny finoana marina tokoa ve no hiasana ny asan’Andriamanitra? Vokatra toy ahoana no andrandraina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetr...

Alatsinainy, 23 Febroary 2026

Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mampirindra ny fianana Izao Soratra Masina izao dia mitarika antsika hino…

Manana ny fomba fiasany ny Tompo

Alahady, 22 Febroary 2026

Manana ny fomba fiasany ny Tompo Fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ireo mpikarakara ny tanim-boaloboka sy…

Misy laharam-pahamehana mandrakariva...

Asabotsy, 21 Febroary 2026

Misy laharam-pahamehana mandrakariva eo amin’ny fiainana Tantara iray niseho taorian’ny nifampiresahan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana…