Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan' Andriamanitra 

Malakia 2.1-6
1 [Ny tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao: 2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo. 3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. 4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy*, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy zanany] 5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.

Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra 

Malakia 2.1-6

Omeo voninahitra  ny Anaran’i Jehovah

Taorian’ny  fiverenana  avy   tamin’ny fahababoana  tany Babylona  dia nipoitra  ny  olana ara-tsosialy sy fihariana ary fivavahana teo  amin’Israely (Mal 3.5) . Tratran’ny tsy fisian-kanina  ny  firenena  ,   tsy  nazoto  tamin’ny fivavahana sy ny fanaterana fanatitra  tao  amin’ny  tempoly  ny  fiangonana(Mal 1.7-8) . Nalaimpanahy  ihany   koa   ny taranak’i Levy  sy ny mpisorona  ka nandao  ny fanompoana  ka nanao  asa tany ivelany  . Nafoin’izy ireo  ny asa fisoronana  voatokana  ho  azy irery  ihany .

1-Jehovah manozona  izay  tsy mibebaka 

Tsy vahaolana  amin’ny ozona  mihatra  ny fandaozana  an’ Andriamanitra  sy ny fivavahana aminy . Efa  mihatra   izany  ozona  izany   : ho faty  ny ambioka , « hofenoiko  lavenona ny tavanareo« , ary ariana tahaka ny lavenona Israely (and3). Vahaolana  hialana  amin’ny loza ny fibebahana avy amin’ny Tenin’ny Tompo.

2-Loharanom-pitahiana ny Tenin’i Jehovah 

Ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny taranak’i levy na ny mpisorona dia fiainana  ny fanekena  no nitoerany  tao amin’ny fiadanana , fahamarinana, fahitsiana ary nitaomany ny Israely ho amin’ny fibebahana . Miteny  amin’ny mpisorona mpanao fisoronana  sy  fanompoana  ao  amin’ny Tempoly  i Jehovah .Miverena  ho amin’i Jehovah   sy ny fanompoana  Azy. Izany  no làlan’ny  fahamarinana . Izany  no fialana  amin’ny heloka  ary izany  no fanalana  ny ozona  sy ny tsy fahombiazana eo  amin’ny firenena sy ny fiangonana .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Alarobia, 21 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo Lioka 15.1-7 Mahafaly ny Tompo  ny fibebahana  1-Manatona ny Tompo ny…

Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra...

Talata, 20 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra  Marka 6.7-13 Miantso  sy maniraka ny mpianany  i Jesoa  1-Hitory   ny…