Miasà amin’ny fatahorana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 15 Septambra 2020

1 PETERA 1.13-20

1 PETERA 1.13-20
13 [Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, 16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo et? ; 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo

Miasà amin’ny fatahorana an’Andriamanitra

1-Satria masina Andriamanitra

Eo am-panatanterahana ny asa izay nifidianan’ Andriamanitra antsika , ny mpanoratra dia manambara ny amin’ny fahamasinan ‘ Andriamanitra . Satria Masina Andriamanitra ka izay marina amin’ Andriamanitra dia tokony ho marina koa amin’ny olona , ary izay anahafana ny toetrany tiy ny zanaka manahaka ny ray aman-dreny .

Ny nanamasinana antsika dia tamin’ny alalan’ny asa fanamasinana ataon’ny Fanahy Masina . Tafasaraka amin’ny fomba fiainana tsy araka ny sitrapon’ Andriamanitra isika , ary takiana amintsika izay mino an’i Kristy ny ho masina tahaka Azy . Ny Soratra Masina dia mampianatra fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo (Heb 12.14). Andriamanitra izay manamasina ny mpanota mibebaka dia te-hanamasina ny manontolon’ny mpino . Koa miasà amin’ny fatahorana Azy eo amin’izay niantsoana anao . Ankatoavy ny didiny ary aoka ny fitondrantenantsika ho masina , satria masina Ilay niantso antsika .

2- Satria olona navotana tamin’ny Rà soan’i Kristy

Ny Soratra Masina dia mampiseho fa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona (Rom 3.10-18) ary eo ambany fanapahan’ny herin’i satana (Asa 10.38) . Niantoka ny vidim-panavotana i Jesoa Kristy tamin’ny nandatsahany ny Rany sy nanolorany ny ainy ho antsika (Mat 20.28/ Heb 9.12). Tandindon’ny fanavotana ao amin’ny Testamenta Taloha izao asam-panavotana nataon’i Jesoa kristy ho antsika izao . Koa satria olom-boavotra isika , navotany tamin’ny Ran’ny zanakondry tsy misy kilema , ary tsy misy pentipentina ka dia miasà amin’ny fatahorana Azy .

Fanontaniana:

Mba tsaroanao ve fa miavaka amin’ny rehetra ianao satria mpanompon’ Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

« ny voninahitr’ ity trano ity any a...

Alahady, 6 Septambra 2020

Noho ny zava-misy mampalahelo voalaza eo amin’ny and 3 izay milaza ny faharavan’ny tempoly satri…

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …