Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Septambra 2020

TITOSY 1.5-9

TITOSY 1.5-9
5 [Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona* amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [* Gr. presbytera] 6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra. 7 Fa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto, 8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po, 9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema* sady handresy lahatra ny mpanohitra. [* Gr. salama]

Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

1-Araka ny endrim-pandaminana avy Aminy

Noho ny asa fanompoana iray izay iombonan’i Paoly sy Titosy dia nanankinan’i Paoly ny famitana ny asa izay niarahan’izy ireo nanomboka tao Kreta i Titosy . Nasaina nanendry loholona isan-tanàna izy . Endrim-pandaminana mba hahavita ny asa izany . Satria teo amin’ny tontolon’ny asa dia nilaina izany mba hisian’ny fiaraha-miasa hahatrarana ny tanjona . Ao amin’ny Fiangonana misy antsika ankehitriny dia ahitana izany . Fandaminana efa nahazatra izay nampiasaina mba hisehoan’ny Voninahitr’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana. Atao amin’ny fahatahorana ny asa araka ny fandaminana , satria mendrika ho amin’izany ianao. Hiseho anie ny Voninahitr’Andriamanitra amin’izay tanterahantsika satria olon’ny fandaminana isika.

2-Amin’ny fitanana ny teny marina

Tsy vitan’ny fanarahana ny fitsipi-pitondrantena sy ara-panahy izay voatanisa ao amin’ny and 6-8 fotsiny akory ny loholona fa tsy maintsy hazonina mafy koa ny fitanana ny teny marina. Ao ny fananarana ny olona izay manao fampianarana mifanohitra amin’ny Soratra Masina , taomina hanao ny marina (2 Tim 2.24-26) . Isika koa dia nantsoin’ Andriamanitra hitana mafy ny teny marina , satria nanao « eny » nanaiky ny fandaminana ao amin’ny Fiangonana . Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ary aoka ho vonona amin’ny fampianarana tsy misy kilema , sady handresy lahatra ny mpanohitra (and9) . Jesoa Kristy dia nifidy sady naniraka antsika hilaza ny Filazantsaran’ny fahamarinana . Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika .

Fanontaniana :

Mba olon’ny fandaminana ve isika amin’ny fanekena ny andrakitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

« ny voninahitr’ ity trano ity any a...

Alahady, 6 Septambra 2020

Noho ny zava-misy mampalahelo voalaza eo amin’ny and 3 izay milaza ny faharavan’ny tempoly satri…

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …