Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Galatiana 5, 13-15
1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Galatiana 5, 13-15
Ny olona afaka.
1- Afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalĂ na.
Ny tena fahafahana dia fahalalahana hanao asa tsy an-tery, tsy noho ny tahotra ny lalĂ na fa noho ny fahatsiarovan-tena. Marina fa voararan’ny lalĂ na ohatra ny mangalatra, kanefa raha noho ny tahotra ny higadra fotsiny no antony tsy hanaovana izany dia tsy mbola ao ny tena fahafahana. Ny olona efa nafahan’i Kristy dia afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalĂ na ka amin’ny finoana sy fitiavana no anatanterahany sy hankatoavany ny sitrapon’ Andriamanitra.
2- Afaka tamin’ny filan’ny nofo
Izay efa nafahan’i Kristy dia afaka tamin’ny asan’ny nofo izay nanandevo azy taloha toy ny fijangajangana, fahaloloana.fijejojejoana. fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana. adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fialonana, fidorohana, filalaovan-dratsy…sns… Toheriny mafy ireo rehetra ireo ka tsy havelany hanjaka intsony eo amin’ny fiainany.
3- Mifanompo amin’ny fitiavana
Ny fositra mampizarazara sy manapotika ny Fiangonana dia ny tsi-fitiavana. Ny Fanahy Masina no mampianatra sy mitarika antsika hifanompo sy hifankatia, ary koa hahaizantsika mitia na dia ny fahavalo aza. Izay rehetra tia no efa nahatanteraka ny lalà na. « Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalà na « (Rom. 13, 10)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM