Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Isaia 38 : 1 -9
1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Isaia 38 : 1 -9
Isan’ireo mpanjaka teo amin’ny Zanak’i Israely nihaino sy nankatoa ny Tenin’Andriamanitra i Hezekia mpanjaka. Antony iray nahatonga an’Andriamanitra namaly vavaka azy izany. Tsy ho azy irery anefa izany soa avy amin’Andriamanitra izany fa ho an’ny tany iadidiany koa. Mamaly vavaka Andriamanitra raha :
1 – Manao ny sitrapony ny olona
Ady hevitra eo amin’ny kristiana matetika ny hoe: aiza izay valim-bavaka azo nefa efa tena nangataka aho. Tsara atao an-tsaina anefa fa Andriamanitra dia tsy miasa ho an’ny olona iray fotsiny na sehatra iray ihany fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. Ny olona no tsy mahita afa-tsy ny tenany. Ankoatra izany, ny olona rehefa miabo ny zavatra azony vao lazainy hoe: mivaly ny vavaka nataony, kanefa tsarovy fa efa valiny daholo na miiba aza no azo. Ny fananana toe-po sy fahavononana hanao ny sitrapon’Andriamanitra koa dia hahafahana manantena valim-bavaka.
2 – Mitomany eo anatrehany ny olona
Mitomany ny olona, amin’ny ankapobeny, rehefa misy zavatra mafy manjo azy. Ny lehilahy kosa anefa dia tsy mpitomanimany fotsiny amin’izao koa inona loatra à ry no tena anton’ny ranomason’i Hezekia eto ? Nivavaka teo anatrehan’Andriamanitra izy tamin’ny fo feno fanetren-tena ary lasa ho azy ny ranomasony, tsy fanahy iniana mihitsy. Mandeha ho azy izany fa tsy amboarina velively, ny fo enti-mivavaka marina no zava-dehibe.
Fanontaniana :
Efa nahazo valim-bavaka tamin’ny Tompo ve ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM