Miantoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Jona 2018

Miantoa fanafahana avy amin'ny Tompo 

Lioka 1,67 - 75
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.

Miantoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Lioka l: 67-75

1-Isaorana anie nv Tompo Andriamanitry ny Israely!

Teo am-panaovana ny asa fisoronana tao amin’ny tempoly Zakaria no nisehoan’ny anjelin’ny Tompo ka nilazany fa hiteraka zazalahy izy, Jaona no hatao anarany. Tsy nino ny fanambaran’ilay anjely anefa izy ka tonga moana, mandra-pahaterak’ilay zaza. Saika hataon’ny mpiara-monina sy ny havany hoe: Zakaria ny anaran’ilay zaza, fa ny rainy sy ny reniny no tsy nanaiky ka nilaza, fa Jaona no ho anarany, araka izay efa nolazain’ny anjely. Tamin’izay indrindra no nisokatra ny vavan’i Zakaria ka afaka niteny indray izy. Fisaorana an’Andriamanitra no voalohan-teniny. Aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra mandrakariva isika raha mbola afaka misokatra ny vava!

Inona moa no nahatonga azy hisaotra an’Andriamanitra?

2- Nitsinjo ny olony Izy. (and. 68)

Satria nitsinjo ny olony izy. Ny hoe « nitsinjo ny olony » dia azo adika hoe: namangy sy nanavotra ny vahoakany (DIEM). Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy dia endriky ny famangian’Andriamanitra ny olony sy ho fahatanterahan’izany faminaniana izany. Tsarovany ny fanekeny masina sy ny fianianany tamin’i Abrahama (and.72,75) ka dia namindra fo tamin’ny taranak’Israely Izy. Ny tanjon’ny famangian’Andriamanitra antsika dia ny hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalo, mba hahafahantsika manompo an’Andriamanitra tsy amin-tahotra, fa amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana. amin’ny andro rehetra iainantsika. Ny fiangonana misokatra no endriky ny famangian’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tomp...

Alatsinainy, 4 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 2 Petera 2:11-6 FANTARO NY MPAMINANY SANDOKA 1-Feno fanevatevana (and.…

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina

Alahady, 20 Mey 2018

1- Satria nirahina tahaka an’i Jesoa iraky ny Ray « Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy…

Mifandray amintsika Ilay Andriamanit...

Asabotsy, 19 Mey 2018

Mifandray amintsika Ilay Andriamanitra miafina Tena mahagaga ny fomban’Andriamanitra ! Miafina Izy, nefa mifandray sy…