Mbola mandray izay olona mibebaka Aminy ve ny Tompo?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Martsa 2020

MALAKIA 2.17-3,7

Malakia 2,17 - 3,7
17 [Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ? 1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. 5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. 7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?

1-Manao tsinotsinona ny Tompo ny olona

Teo amin’ny fitondran’ Andriamanitra ny olona dia fantatra fa efa nanome didy sy fitsipika ary lalàna maro samihafa Izy , mba hahatonga ny olona hahay handeha eo anatrehany .Nomeny tamin’ny alalan’ny mpanompony maro izany ary tamin’ny vanim-potoana maro samihafa koa ho an’ny taranaka nifandimby. Eto àry , rehefa lazaina ny olona hoe: « efa nanasatra an’i Jehovah ianareo » dia mahasahy mamaly hoe : amin’ny inona no hanasaranay Azy ? Miteny izany ny olona satria tsy fantany akory hoe : manao ratsy izy. Voalaza eo amin’ny and 7 anefa fa ny taranaka nifandimby rehetra dia niala sy tsy niraharaha ny didin’Andriamanitra avokoa . Mpanao ratsy ny olona , mpanota ny olona (jereo Sal 14.1-3) kanefa tian’Andriamanitra ka asainy mibebaka eo anatrehany indray « miverena Amiko dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho »(and 7).

2-Misy valiny ny fanaovana tsinotsinona Azy

Tsy hojeren’ Andriamanitra fotsiny anefa ny ratsy ataon’ny olona fa « haniraka ny irako Aho » , hoy Izy mba hamaly ny faharatsiana ataonareo ka iza no hahajanona eo anatrehany ? Ho toy ny afon’ny mpandrendrika izany ary ho toy ny savonin’ny mpanasa lamba , izany hoe hanadio sy hanala ny fahalotoana . Handevona izay rehetra tsy mendrika izany , andaniny, fa hanadio izay rehetra mety hodiovina kosa ankilany mba ho mpanompon’ Andriamanitra ho mendrika Azy tokoa amin’ny asa sy ny fanompoana Azy .

Fanontaniana:

Mbola mandray izay olona mibebaka Aminy ve ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Averina amin’Andriamanitra ny maro

Alahady, 15 Martsa 2020

Averina amin’Andriamanitra ny maro Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia boky mitantara ny fomba nitoriana ny…

Andriamanitra mahary fiainam-baovao

Asabotsy, 14 Martsa 2020

Anisan’ny teôlôjia matanjaka teo amin’ireo mpaminany tany am-pahababoana ny teôlôjian’ny fahariana indray, Tsy afa-misaraka amin’izay…

Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo r...

Talata, 10 Martsa 2020

Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo rehetra Ambaran’ny mpanoratra fa ela loatra ny fiaran’i Jehovah no…