Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo

2 Korintiana 2.14-17
14 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. 15 Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very: 16 amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany? 17 Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo

2 Korintiana 2.14-17

Ny  mpitory   ny Filazantsara

Tsy  tokony   ho  menatra  ny amin’ny maha- mpitory ny Filazantsara  isika satria :

1-Mpiombona fandresena  amin’i Kristy  (and14)

Kristy  no lohan’ny  Fiangonana . Izy  no  mpitarika  Azy  . Ny  fandresen’i Kristy  ny fahafatesana sy  ny herin’i satana  dia fandresen’ny fiangonana ihany  koa. Mpiombona fandresena amin’i Jesoa isika  ka toy  ny andian-tafika avy nandresy  tamin’ny  ady  dia  miombom-pifaliana  sy  miara-manamboninahitra  amin’ny  mpitari-tafika ny  miaramilany  rehetra .

2-Hanitr’i Kristy  (and14-16)

Toy ny  zava-  maniry  mamoaka  fofo-manitra  sy  mamerovero  ny  Filazantsara ka ny  mpitory  no mitondra  izany eny  tontolo  eny  . Sarotra  afenina izany  hanitry  ny Filazantsara  izany   ka hitondra famelombelomana  ho an’izay  mankasitraka Azy. Fahafatesana kosa ho an’izay  tsy  mahazaka ny fofony .

3-Mitory  amin’ny fahitsiana (and17)

Maro  ny  manao  ny asa fitoriana ny Filazantsara  ho fanangonan-karena ankehitriny  ka manao  izay  hampifaly  ny  fon’ny  maro  fotsiny  ihany  . Ny  tena  mpitory  ny Filazantsara dia manao  izany  amin’ny fahadiovam-po sy amin’ny fahitsiana ka tsy  toy  ny  mila  sitraka  amin’ny olona .

Fanontaniana :

Nahoana  no tsy  sahy  mitory  ny Filazantsara  ny  olona  sasany  na dia efa nampianarina aza ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Manolotra ny fiainany ny Tompo 

Alakamisy, 5 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo  Jaona 6.47-58 Ny fiainana  atolotry   ny Tompo  1-Mitondra fahavelomana  maharitra…

Manolotra ny fiainany ny Tompo 

Alarobia, 4 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo  Salamo 34.11-22 Mandraisa  fananarana   avy amin’ny Tompo Toy  ny Ray…