Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Ohabolana 10.14-19
14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana. 15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy. 16 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy. 17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. 18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. 19 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.

Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Ohabolana 10.14-19

Toro-làlana hahazoam-piainana 

1-Miasa amim-pahamarinana (and16)

Nodidin’ Andriamanitra hiasa  isika  mba ho velona (Gen 2.15). Avy  amin’ny asa izay hisasarana no ivelomana  (Gen 3.19). Ny asa rehetra  dia mahavelona avokoa rehefa  atao  am-pahamarinana sy araka ny  sitrapon’ Andriamanitra . Ny  vokatry  ny asa  atao  am-pahamarinana  no  mitondra filaminan-tsaina  ka manome fiainana milamina  sy araka ny sitrpon’ Andriamanitra . Fahotana eo anatrehan’ Andriamanitra  kosa ny  harena azo avy  amin’ny tsy rariny sy ny  fanambakana .

2-Mandray anatra  avy  amin’ny Tompo (and17)

Toy  ny fitondran’ny ray  be  fitiavany ny zanany   no hitondran’ Andriamanitra  antsika . Mikatsaka fiainana ho antsika mandrakariva Izy  ka tsy lany  rora mananatra  antsika . Izay  mandray  anatra  avy Aminy  no mahazo  fiainana avy  Aminy.Ao  amin’ny Teniny  no andraisantsika ny toro-làlana sy ny anatra omen’ Andriamanitra antsika , mba hahazoantsika ny tena fiainana avy Aminy . Ny fandraisana ny fampianaran’i Jesoa no mitondra  antsika  ho   amin’ny làlan’ny fiainana  satria Izy no làlana sy fahamarinana ary  fiainana ho antsika(Jao  14.6).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

Asabotsy, 7 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo  Ohabolana 8.32-36 Miantso  Rafahendrena  Aseho  ho toy  ny olombelona ny…

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo

Zoma, 6 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 2 Korintiana 2.14-17 Ny  mpitory   ny Filazantsara Tsy  tokony   ho …