Mandrara, mampianatra, manitsy ny Soratra Masina
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Febroary 2026
Sal 146.1-4 / Hira 171:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 171:2
2 Tesaloniana 3,6 - 18
6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. 7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, 8 ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; 9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay. 10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy. 11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona. 12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. 13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa. 14 Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin'ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. 15 Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy. 16 Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. 17 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin'ny epistily rehetra; izao no soratro. 18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Mandrara, mampianatra, manitsy ny Soratra Masina
Mamarana ny epistiliny faharoa ho an’ny Kristiana tao Tesalonika i Paoly eto, ary mametraka hafatrafatra mazava sy matotra ho azy ireo. Alentiny tsara ao amin’ny Kristiana ary mba:
1. Tsy hiray petsapetsa amin’ny ratsy (and 6)
Ary mandidy anareo izahay ry rahalahy…mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara…». Hentitra i Paoly, mahasoa kokoa ny Kristiana ny tsy manan-draharaha amin’ny olona tsy mety anarina na minia tsy mandray izay fampianarana tsy misy kilema natolotra azy! Tsy ampianarin’i Paoly hoe tohero ny Kristiana eto, fa asainy tsy mipetapeaka mba tsy hifindran’izany na ho voasarik’izany koa!
2. Haka tahaka ny tsara (and 9)
«Tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba atolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay ». Manome modely i Paoly. ary ny tenany no modely omeny! Misy andian’olona mantsy nanao fampianaran-diso tamin’izany hoe rehefa ho avy ihany i Jesoa dia alco tsy miasa intsony fa mandany izay eo an-tanana sisa! Toherin’i Paoły izany, ary izy miasa amin’ny tanany no asainy alain’ny olona tahaka! Rehefa mitaona ny olona tahaka izany i Paoly, dia satria notahafiny tamin’i Jesoa koa izany (1Kor 4. 16)!
3. Hananatra izay tsy mitoetra tsara (and 15)
Aneja aza atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy » hoy i Paoly. Na dia mandrisika ny Kristiana tsy hiray petsapetsa amin’ny ratsy aza i Paoly, dia milaza kosa izy fa tsy hoe ialana dia avela ho very any akory ireny mivily lalana ireny, ary atsangana ho fahavalo thany koa, fa heverina ho toy ny olona vao hitoriana ny filazantsara indray ka taomina handray an’i Jesoa hananany fiainam-baovao!
Fanontaniana
Inona ary no fanapahan-kevitra raisingo manoloana ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe