Mandehana araka ny sitrapon’ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Jona 2020

ZAKARIA 7.8-10

ZAKARIA 7.8-10
8 Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; 10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.

Mandehana araka ny sitrapon’ny Tompo

Fomba efa nataon’ny olona ny fifadian-kanina .Nanontany indray izy ireo raha tokony hanohy izany na tsia. Valin’izany no hita eto amin’ity and 8-10 ity.

Fanontaniana ny amin’ny fifadiana no nataon’ny olona ,fa fifandraisana amin’ny hafa ny valiny.

Ankasitrahan’Andriamanitra antsika ny fifandraisana Aminy ,ary izany dia tsy afa-misaraka amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa . Ireto no toe-panahy takiany amin’ny olona :

-Manao fitsarana marina

-Mifampiantra sy mifamindra fo

-Tsy mampahory ny hafa

-Tsy mihevitra hanisy ratsy ny hafa

Zava-dehibe Aminy ny toe-po entintsika mivavaka Aminy araka ny tenin’i Jesoa hoe : « Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny’ Fanahy sy ny Fahamarinana » (Jao 4.24).

Ary koa : »Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota,fa izay mivavaka Aminy sy manao ny sitrapony no henoiny « (Jao 0.31).

Fanontaniana:

Inona no efa nataonao manoloana ireo manodidina izay noheverinao araka ny sitrapon’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Inona no efa nataonao  hanatsaranao ...

Alarobia, 17 Jona 2020

MIHAVANA  AO  AMIN’NY  TOMPO Mampiavaka ity toko faha-19 ity ilay Teny mialoha eo amin’ny and…

Ny Fanahy Masina

Asabotsy, 30 Mey 2020

Ny Fanahy Masina Toe-javatra nitranga tamin’ny andron’ny Pentekosta , izay nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny teny…

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonje...

Alarobia, 27 Mey 2020

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonjena “Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra  kosa no amoahako  ny  demonia,…