Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

2Tantara 20, 5-9
1 [Ny nandehanan'ny Moabita sy ny namany hiady tamin'ny Joda, ary ny vavaka nataon'i Josafata, sy ny namonjen'Andriamanitra azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita*.[Na: mbamin'ny Meonita; izahao xxxvi. 7]

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

2Tantara 20, 5-9

Vavak’I Josafata

1-Miantomboka amin’ny fiderana ny herin’Andriamanitra

“Tsy ianao ve no Andriamanitra any an-danitra? Eny Ianao no manapaka amin’ny fanjakana jentilisa rehetra ary eo an-tananao ny hery ,ny fahefana ka tsy misy mahasakana Anao? Tena fiderana an’Andriamanitra noho ny hery sy fahefany, tsy misy fetra no anombohana ny vavaka. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny vavaka mantsy ny fiderana an’Andriamanitra. Aoka hanokana fotoana ho amin’izany hatrany isika amin’ny vavaka rehetra izay asandratra, fa tsy ny fangatahana foana no hahamaika. Fantany izay tokony ho antsika, na dia mbola tsy miloa-bava akory aza isika. Mahaiza midera an’Andriamanitra!

2-Mampahatsiahy izay efa nataon’ny Tompo tamin’ny lasa

Miomana hanafika an’IJoda ry Moabita sy ny namany. Tora-kovitra ny mpanjakan’I Joda raha nahare izany. Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra anefa izy ka nitady an’I Jehovah. Ao anatin’ny vavaka no ampahatsiahiviny ny sy fanavotana efa nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa, asa fampanantenana dia ny nanomezany azy ireo tany honenana araka ny tena fikasana. Raha mandinika izay nataony tamin’ny lasa ny mpanjaka dia hahazo toky avy hatrany ny amin’ny famonjena izay hatolony (and.9). Tsarovy izay efa nataony ho antsika tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy ary izany no aoka hanantenantsika Azy amin’ny ho avy rehetra.

Fanontaniana

Tena manome lanja ny fiderana ve ny vavaka ataontsika?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Alarobia, 17 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo  Marka 9.19-27 Manana fahefana hahasitrana  ny aretina rehetra  ny  Tompo   Nisy …

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Talata, 16 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Kolosiana 2.8-15 Fananarana  ny  fampianarana  ho antsika mpino  1-Mitandrema amin’ny…

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alatsinainy, 15 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Isaia 40.27-31 Andriamanitra  mandrakizay  ny  Tomponts ika  Toetran’ Andriamanitra  ny…