Manapaka amin’ny fahefany ny聽 Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny聽 Tompo
2 Mpanjaka聽 19.14-19
14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah. 15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely 么, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Atongilano ny sofinao, Jehovah 么, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah 么, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona. 17 Jehovah 么, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny 18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny t脿nan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana. 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray 么, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny t脿nany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah 么, no Andriamanitra.Manapaka amin’ny fahefany ny聽 Tompo
2 Mpanjaka聽 19.14-19
Andriamanitry聽 ny fanjakana rehetra聽 ny聽 Tompo聽
Ny tantara聽 ao聽 amin’ny Soratra masina聽 dia mampiseho聽 miharihary聽 fa ny mpitondra izay聽 nanankina ny asany聽 sy ny聽 fahatokiany聽 tamin’ Andriamanitra ihany no tena聽 nahita fahombiazana聽 amin’izay聽 rehetra nataony聽 . Iray聽 tamin’ireny聽 ny mpanjaka Hezekia : ny vavaka聽 izay nataony dia fampianarana聽 tsara聽 ho antsika :
1-Manetre tena eo聽 anatrehany聽
Niakatra聽 ho ao an-tranon’i Jehovah聽 izy聽 ka namelatra聽 ny taratasy聽 teo anatrehany聽 sady nivavaka (and14). Na dia聽 mpanjaka sy manam-pahefana聽 aza i Hezekia聽 dia nanetry聽 tena ka nivavaka hoe: 芦聽Hianao聽 dia hianao聽 irery no Andriamanitry聽 聽ny fanjakana聽 rehetra ambonin’ny tany聽禄(and15,19). Aoka聽 mba ho toy聽 izany聽 avokoa聽 izay聽 rehetra聽 omen’ Andriamanitra聽 fitondrana聽 聽sy fanapahana ka hahatsiaro fa Andriamanitra no Tompon’ny hery聽 sy faefana rehetra . Izy聽 no nanao聽 ny lanitra聽 sy ny tany . Izy聽 irery聽 no Andriamanitra聽 fa ny andriamanitryb聽 ny jentilisa聽 dia tsinotsinona .
2-Ankino聽 Aminy ny ady rehetra聽
Sady mihantsy聽 ady聽 ny聽 miaramilan’i Sankeriba聽 no mampihorohoro聽 fatratra . Nankininy聽 tanteraka聽 amin’ny Tompo聽 izany ady izay hatrehany聽 izany聽 , ary聽 tsy misy聽 nafeniny teo anatrehany聽 tamin’ny alalan’ny fitarainany am-bavaka. Amin’ny聽 hasarotam-piainana sy ny ady hatrehina amin’izao fiainana izao聽 dia mametraka聽 izany聽 ho eo am-pelat脿nan’ny Tompo no tsara indrindra . Jesoa聽 聽no efa聽 nitondra聽 ny ady sarotra聽 rehetra聽 izay tokony聽 聽ho nentintsika . Aoka聽 Izy no hiady …fa hianao聽 kosa hangina (Eks 14.14).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
