Manao ny asan’Andriamanitra ny olom-boavonjy

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Febroary 2026

Sal 138,1-3 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira F.6

Romana 15,1 - 4
1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. 2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy. 3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9). 4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.

Manao ny asan’Andriamanitra ny olom-boavonjy

Epistily fampaherezana ny Kristiana tany Roma mba hanana toe-tsaina mifanaraka amin’ny Filazantsara. Ny fampianaran’i Paoly dia sady matanjaka amin’ny ara-pinoana no matanjaka amin’ny ara-pitondrantena. Kristiana manahoana no ilain’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina?

1. Mikendry ny soa iombonana (And.1-3)

Mampahatsiaro ny mpino eto i Paoly noho ireo zavatra mety hanjo ny hafa. Mety ho marefo noho ny sasany ny hafa, ary mety tsy hitovy ny fiatrehana ny tontolo sy ny fisedrana fiainana. Ambara eto fa tena toetra kristiana ny hoe mifampitondra amin’ny fahalemen’ny hafa. Manahaka an’i Jesoa ilay tsy nanana fahalemena fa nitondra ny fahalementsika. Ary iżany rahateo no maha kristiana antsika, manara-dia an’i Jesoa, Ilay nahafoy ny ainy ho famonjena ny olombelona rehetra. Izany fahasoavana izany dia soa iombonan’izay rehetra mino. Noho izany izay iombonana no katsaho mandrakariva.

2. Miorina amin’ny Soratra Masina (And.4)

Tena hahafantarana an’i Paoly ihany koa ny fahaizany mampiasa ireo andinin-tsoratra Masina hafa ho fanohanan-kevitra. Ary hanehoany ihany koa fa zavatra tsy afaka misaraka ny ambaran’ny Soratra sy ny ataon’ny olona. Raha natanjaka be ny fironana ara-pilôzôfia maro dia izy kosa namerina ny olona hijanona sy hibanjina ny Tenin’Andriamanitra. Koa aminy dia mazava, ny hany ananan’ny olona finoana velona dia ny fankatoavana izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Ny hananan’ny olona fanantenana sy ny fahafantarany izay inoany, ary ny hahatonga azy haharitra dia ny fiorenana amin’ny Soratra Masina irery ihany.

Fanontaniana:

Tena ny Soratra Masina tokoa ve no mitarika ny Kristiana amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Mifamatotra amin’ny fahalalana ny So...

Talata, 24 Febroary 2026

Mifamatotra amin’ny fahalalana ny Soratra Masina ny vavaka Fihetsika nahatalanjona ireo mpianatra no nasehon’i Jesoa…

Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetr...

Alatsinainy, 23 Febroary 2026

Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mampirindra ny fianana Izao Soratra Masina izao dia mitarika antsika hino…

Manana ny fomba fiasany ny Tompo

Alahady, 22 Febroary 2026

Manana ny fomba fiasany ny Tompo Fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ireo mpikarakara ny tanim-boaloboka sy…