Manao ahoana ny fifalianao miaraka amin’i Jesoa ?

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Febroary 2022

JAONA 16.19-24

JAONA 16.19-24
19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo? 20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. 21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany. 22 Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo. 23 Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany. 24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Manao ahoana ny fifalianao miaraka amin’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Nahoana no tsy mahita ny haben’ny fa...

Zoma, 18 Febroary 2022

Mampianatra antsika ity perikopa ity fa : 1-Masi-mandidy Andriamanitra (and14-18) « Koa izay tiany hamindrana fo…

Mandehana araka ny mazava

Alakamisy, 6 Janoary 2022

Mandehana araka ny mazava Zava-dehibe mahakasika ny fahatanterahan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy ny fiombonan’ny samy mpino…

Ireo voatanisa ireo ny momba an’i ...

Asabotsy, 19 Febroary 2022

Ireo voatanisa ireo ny momba an’i Jesoa , nahoana no mbola misalasala mino azy ny…