Manao ahoana ny faniriana te hanao ny sitrapon’Andriamanitra ao anatinao?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Jolay 2021

Salamo 40. 1-10

Salamo 40. 1-10
1 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. 2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. 3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah. 4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga. 5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. 6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao] 7 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy. 8 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko. 9 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala. 10 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.

Manao ahoana ny faniriana te hanao ny sitrapon’Andriamanitra ao anatinao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM


Mofon'aina teo aloha

Miantso anao hanatona Azy i Jesoa

Asabotsy, 3 Jolay 2021

Miantso anao hanatona Azy i Jesoa 1- Mandrenesa Voalaza eto fa tsy mba bitsibitsika akory…

Paoly : Zanak’Andriamanitra mpampiha...

Talata, 8 Jona 2021

Paoly : Zanak’Andriamanitra mpampihavana Fampihavanana an’i Filemona sy Onesimosy no votoatin’ny hafatra ao amin’ny Epistily…

Rehefa ny Fanahin’i Jehovah no mitoe...

Asabotsy, 8 Mey 2021

Rehefa ny Fanahin’i Jehovah no mitoetra amin’ny olona … Ity faminaniana ity dia milaza ny…