Manantenà an’Andriamanitra.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Desambra 2025
Sal 63.1-5 /HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 515.1
Isaia 40,27 - 31
27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; 31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.Manantenà an’Andriamanitra.
1- Na dia mandalo fahoriana aza.
Matetika rehefa anaty fahoriana ny olona dia alaim-panahy tahaka ny vahoaka Israelita, hihevitra fa tsy mijery azy sy tsy mahalala izay manjo azy Andriamanitra (and.27). Ary izany fakam-panahy izany dia mety hitarika azy hitady hery hafa izay tsy mahavonjy azy akory. Noho ny fitiavany antsika dia ampahatsiahivina eto indray fa Andriamanitra dia mandrakizay, mpahary izao rehetra izao, tsy mba mety sasatra na reraka Izy, ary tsy misy fetra ny fahalalany (and.28). Tsy tokony hihevitra ny tenany ho hadinon’ Andriamanitra ny olony, na dia mandalo fotoan-tsarotra aza. Ny fahoriana izay miseho dia azo oharina amin’ny « tany efitra » hitaizana ny vahoaka mba hananany fifandraisana bebe kokoa amin’Andriamanitra sy hiankinany tanteraka Aminy.
2- Manome hery Izy
« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka. Ny teny hoe: « mandroso hery » dia midika hoe: « hahazo hery vaovao hatrany », hery mamelombelona ny fanahy efa trotraka ao anaty fahoriana sy ny fizahan-toetra, herin-tsaina ahafahana miakatra ambony kokoa tahaka ny voromahery, manoloana ireo zava manahirana, hery ara-panahy hahafahana mamakivaky lala-tsarotra sy mihazakazaka amin’ny asa fanompoana. Ny Fanahy Masina no hery nomena ho antsika: « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany (Asa 1.8)
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mitady an Andriamanitra ny olona, na dia efa iharam-pahoriana mafy aza?
Sampana Sekoly Alahady Foibe