Manantenà an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Desambra 2025
Sal l39.1-6 / Hira 482.1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482.4,5
Fitomaniana 3,22 - 33
22 [HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. 23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. 24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho. 25 [TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. 26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana. 27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. 28 [JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany. 29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina. 30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa. 31 [KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; 32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony. 33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.Manantenà an’Andriamanitra.
1- Mpamindra fo Izy (and.22-25)
Toe-javatra mampalahelo no niainan’ny firenen’i Joda taorian’ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema: babon’ny Babyloniana ny tanana, novonoin’ny miaramila ny ankamaroan’ny mponina tao aminy, maro ny natao sesitany, ary ny tena mafy indrindra dia ny nandorana ny tempoly. Nahita sy niaina izany ny mpanoratra ny bokin’ny Fitomaniana. Aseho eto anefa fa tsy ny fahoriana izay miseho anio akory no hamaritra ny ho avy. Amin’ny fotoana sarotra toy izao indrindra no tokony hitodihan’izay rehetra mbola velon’aina amin’Andriamanitra. Ny fitiavany ny olony no hamaizany azy, mahatoky Izy ka tsy mivadika amin’ny fanekeny, ary tsy mitsahatra ny famindrampony. « Ny famindram-pon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika… Vaovao isa-maraina izany » (and22,23). Taomina ny olona mba tsy hanary toky satria mihoatra lavitra noho ireo fananana sarobidy rava sy potika ny fahatsaran’ Andriamanitra amin’izay manantena Azy (and.24)
2- Mitaiza ny olona hahazaka fahoriana Izy (and.26-33)
Ny olona manantena an’Andriamanitra dia manaiky izay zava-mitranga eo amin’ny fiainana, matoky izy fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa tokoa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Ny fahoriana izay mihatra aminy no vao mainka mampiorina ny finoany. Antenainy fa mbola ho avy hamonjy azy Andriamanitra; inoany fa fotoana fohy ihany no haharetan’ny fahatezerany, fa rehefa afaka izany, ka miverina Aminy ny olony dia hamindra fo izy. « Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ny famindram-pony, fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona. » (and.32-33)
Fanontaniana:
Inona no takiana amintsika manoloana ny fahantran’ny firenena?
Sampana Sekoly Alahady Foibe