Manantenà an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Desambra 2025
Sal 105.1-8 / Hira 3/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 643.1,3
Hebreo 6,4 - 12
4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina 5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, 6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. 7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; 8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana. 9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena. 10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. 11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany; 12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana.Manantenà an’Andriamanitra!
Mitodika manokana ho an’ireo izay efa nandray an’i Jesoa ny mpanoratra. Ireto no lesona ho avy amin’izany:
1- Tandremo sao mihemotra! (and. 4-8)
Maro ireo olona efa nihemotra tamin’ny finoana, ary mbola misy ankehitriny. Izy ireny dia samy efa nahalala fa amin’ Andriamanitra irery ihany no mahavaha ny olana rehetra izay manahirana azy; tsapany fa ny fikasan’Andriamanitra dia feno fitiavana hamonjy ny olona rehetra. Olona nankamamy sy nankato an-tsitrapo ny Tenin’Andrimanitra izy ireny, satria sakafom-panahy nivelomany isanandro izany. Ny fihemorana amin’ny finoana dia fandavana an’Andriamanitra sy ny sitrapony. Tsy zavatra tampoka izany fa miandalana. Noho izany dia anarina isika Kristiana mba hiambina mandrakariva ka hihazona mafy izay efa nihazonan’i Kristy Jesoa antsika; haharitra amin’ny finoana sy ny fanantenàna. Mampandini-tena lalina ny filazana fa « tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana » izay efa nihemotra (and.6). « Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra… » (Heb 10.39)
2- Miasà am-pitiavana
Eo anatrehan’izany dia manantena ny mpino hiroso hatrany ny mpanoratra, mba ho hita taratra amin’ny asa ataony ny finoana mafy orina sy ny fanantenana tsy azo hozongozonina. « Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena. (and.9). Miteraka asa ny finoana, ary anisany anentanana eto ny fanaovan-tsoa amin’ny « olona masina ». Ny « olona masina » ao an-trano no tokony hotsinjovina voalohany indrindra, dia ny « rahalahy kristiana » sy ny mpiara-manompo ao amin’ny Fiangonana.
Fanontaniana:
Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny asa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe