Manantenà an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Desambra 2025
Sal 146 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 268.1,2
Salamo 146,1 - 10
1 [Dera ho an'Andriamanitra, Mpamonjy tokana] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko. 2 Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa. 3 Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy. 4 Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany. 5 Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny, 6 Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay, 7 Izay manome rariny ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra; 8 Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina; 9 Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa. 10 Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.Manantenà an’Andriamanitra!
Ireto no hafatra ho antsika avy amin’izany ity Salamo ity:
1- Miderà Azy!
Miantomboka sy mifarana amin’ny teny hoe: « Haleloia », izay midika hoe: « Miderà an’i Jehovah ny tononkira. Amin’izany dia manentana ny sady mitodika amin’ny tenany ny mpanao Salamo, no miantso sy rehetra mba hidera an’Andriamanitra. Tsy amin’ny fotoana voatokana ihany, na amin’ny toe-javatra manokana no tokony hiderana Azy fa amin’ny fotoana rehetra. Ny olona mahatsiaro ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny fiainany manontolo no afaka hilaza hoe: « Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa. » mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitra aho, raha
2- Matokia Azy!
« Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy » (and.3). Matetika ny olona no mila sitraka sy mametraka ny fitokiany amin’ny manam-pahefana, na olona ambony eo amin’ny fitondrana. Ambaran’ny mpanao Salamo fa tsy azo ianteherana izany satria manam-petra ihany, sady tsy misy olona afaka hanome famonjena feno ho antsika afa-tsy Andriamanitra irery. Izy no nahafoy ny Zanany, dia Jesoa Kristy, mba hananantsika famonjena maharitra mandrakizay. Tanisaina eto ireo asa lehibe nataon’Andriamanitra: Izy no nanao ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy (and.6); Andriamanitra marina mandrakizay Izy; mihevitra mandrakariva izay ampahoriana; manome hanina ny noana; mamaha ny mpifatotra, mampitraka ny mitanondrikamiaro ny vahiny; manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena… Sambatra izay manantena Azy!
Fanontaniana:
Inona avy no azo atao hiderana an’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe