Manangana ny efa rava ny Andriamanitsika
Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Desambra 2025
Sal 63.1-5 / Hira 267 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 298
Isaia 11,10 - 16
10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra. 11 Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina. 12 Dia hanangana faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin'ny vazan-tany efatra. 13 Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana* an**'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.[*Na: mpandrafy][**Na: ao amin'ny] 14 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy. 15 Ary Jehovah handritra* ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony** ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[*Na: hanao azy ho herema][**Eofrata] 16 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.Manangana ny efa rava ny Andriamanitsika
1- Manavotra izay matoky Azy Izy…(and.11)
Rehefa nizara ho fanjakana roa ny Zanak’ Israely: ny fanjakan » i Israely tao avaratra, ary ny fanjakan’i Joda tao atsimo, dia nanomboka teo no efa tsy nilamina intsony na ny andaniny, na ny ankilany. Tao ny ady, tao ny tahotra ny Asyriana, izay firenena natanjaka tamin’izany; fa tao koa ny fahalovana ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana. Maro ireo nihodina nanompo ny andriamanitry ny firenena manodidina azy. Efa hita taratra ny faharavana. Miditra an-tsehatra ny Tompo, amin’ny alalan’ny mpaminany Isaia ka mampanantena fanarenana ho an’izay sisa mitoetra ho mahatoky sy mibebaka: « Ary amin’izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa… » (and.11). Izay matoky Azy, ka mibebaka sy miala amin’ny fahotany dia hovonjeny.
2- Manangana faneva ho an’ny Jentilisa Izy (and.10,12)
Ny « faneva » atsangana eny amin’ny toerana avo dia midika fiantsoana olona hivory, na miaramila hiady (Isa 5.26; 13.2). Eto izany dia entina hanehoan’i Jehovah amin’ny Jentilisa fa tonga ny fotoana izay tsy maintsy hampodiana ireo babo any aminy. Hita amin’izany fa eo ambany fahefan’Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra; ary ny fanehoan’Andriamanitra izany fahefany tsy hay tohaina sy ampihariny amin’ny fampodiana ny olony izany no haharesy lahatra ny Jentilisa, ka hahatonga azy ireo hanary ny sampiny sy hanatona an-tsitrapo hitady famonjena amin’ny Mesia. Ny famonjena izay azontsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia mitarika ny Jentilisa hahita ny fahatsaran’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Inona no vahaolana amin’ny fahavoazana mihatra ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe